Dans la męme rubrique

Fidangan’ny vidim-piainana Manana vahaolana i Dadavalo

23/02/2018

Nitohy tany Toamasina ny fitsidihana nataon’i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy omaly alakamisy 22 febroary, taorian’ny tany Brickaville, Andovoranto ary Vatomandry.

Fidangan’ny vidim-piainana Manana vahaolana i Dadavalo

Hamaky ny tohiny...

Sekoly mpanofana mpitsara Averina ny fanadinana noho ny kolikoly

23/02/2018

Foana ny fanadinana fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG natao ny 6 sy ny 7 febroary 2018 lasa teo.

Sekoly mpanofana mpitsara Averina ny fanadinana noho ny kolikoly

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kolikoly Resin’i Kaomoro i Madagasikara

23/02/2018

Nivoaka omaly ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar momba ny tontolon’ny kolikoly sy ny toeran’i Madagasikara momba izany ho an’ny taona 2017, io ilay antsoina hoe IPC (Indice de Perception de la Corruption).

Ady amin’ny kolikoly Resin’i Kaomoro i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Toeram-pisotroan-toaka eto Antananarivo Mahazo olona 40 isan’andro farafahakeliny

23/02/2018

Mahazo vahana tanteraka ny fisotroan-toaka sy ny fidorahana zava-mahadomelina eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao. 11 taona no zandriny indrindra amin’izy ireny izay marihina fa mbola mpianatra.

Toeram-pisotroan-toaka eto Antananarivo Mahazo olona 40 isan’andro farafahakeliny

Hamaky ny tohiny...

Fihinana sakafo tsy zarizary Mora mankarary, mampihena ny fitadidiana

23/02/2018

Iray amin’ny olona 50 isa sisa amin’izao raha betsaka no afaka manao tahirin-tsakafo any an-tokantranony.

Fihinana sakafo tsy zarizary Mora mankarary, mampihena ny fitadidiana

Hamaky ny tohiny...

Rakotomihantarizaka Organès Nianjera tao amin’ny “Douche” no nahafaty azy

22/02/2018

Nodimandry teo amin'ny faha-71 taonany omaly alarobia 21 febroary tokony ho tamin'ny 4 ora maraina tany Morondava ny minisitry ny filaminana anatiny tamin’ny andron’ny tetezamita Rakotomihantarizaka Rémy Sylvain Organès.

Rakotomihantarizaka Organès Nianjera tao amin’ny “Douche” no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana tany An’aliny ireo lasibatry ny Tany gasy

22/02/2018

Nanamarika tetsy amin’ny Falda Antanimena, omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo lasibatry ny fisolokiana nataon’ny orinasa mpivaro-tany,

Fisolokiana tany An’aliny ireo lasibatry ny Tany gasy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Vehivavy hita faty teny Ambatofotsy Mitady hiitatra ho fitsaram-bahoaka

20/03/2017

Nolazaina tao anaty lahatsoratra an-gazety maromaro ny faran’ny herinandro teo fa namoaka vava ny notoriana tamin’ity raharaha ity fa tsy matahotra ny fitsarana Malagasy satria mahafantatra olona matanjaka ao.

 

     Ny zava-nisy anefa, araka ny loharanom-baovao hafa dia ny mifanohitra amin’izay. Nisy nitonona ho jeneraly ny havan’ny ilay ramatoa  maty izay niaraka  nanao ny fisamborana tamin’ny polisy sady nanao teny fandrahonana henon’ny olona hoe “aina solon’ny aina”. Ankoatra izay, nandritra ny famotorana teny amin’ny polisy dia tsapa fa tsy nohajaina ny zon’ny voarohirohy hiaro tena satria nolavina ny fihainoana ireo vavolombelona sasany nentiny, olona nahita azy ny andro  nahafatesan’ilay ramatoa. Raha mitanila ny famotorana dia ho voa mafy ny voapanga. Ny alakamisy maraina tamin’ny folo ora dia nolazaina tamin’ny mpisolovava fa tapitra ny fanadihadiana fa tsy hihaino vavolombelona no atao mandra-pahariva ny andro, kanefa tsy nentina teny amin’ny fampanoavana ny raharaha fa  mbola notazonina teny amin’ny polisy ka notohizana tsy nisy antony ny “garde à vue” nanidiana azy natory tany. Ny vavolombelona nohainoana dia efa nolazaina sahady ho tonga eny amin’ny fitsarana ny sabotsy fa amin’izay vao handeha ny raharaha. Maro ny zavatra tsy milamina, toa misy hatramin'ny resaka fizaram-bola ka aoka handinika tsara ny mpitsara, hoy ny fianakavian'ilay voarohirohy fa tsy sanatria hihinana am-bolony. Mbola mitohy ny famotorana lalina ka aoka havela hanao ny asany ankalalahana ny Fitsarana mba hisehoan’ny tena marina.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana