Dans la męme rubrique

Fidangan’ny vidim-piainana Manana vahaolana i Dadavalo

23/02/2018

Nitohy tany Toamasina ny fitsidihana nataon’i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy omaly alakamisy 22 febroary, taorian’ny tany Brickaville, Andovoranto ary Vatomandry.

Fidangan’ny vidim-piainana Manana vahaolana i Dadavalo

Hamaky ny tohiny...

Sekoly mpanofana mpitsara Averina ny fanadinana noho ny kolikoly

23/02/2018

Foana ny fanadinana fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG natao ny 6 sy ny 7 febroary 2018 lasa teo.

Sekoly mpanofana mpitsara Averina ny fanadinana noho ny kolikoly

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kolikoly Resin’i Kaomoro i Madagasikara

23/02/2018

Nivoaka omaly ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar momba ny tontolon’ny kolikoly sy ny toeran’i Madagasikara momba izany ho an’ny taona 2017, io ilay antsoina hoe IPC (Indice de Perception de la Corruption).

Ady amin’ny kolikoly Resin’i Kaomoro i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Toeram-pisotroan-toaka eto Antananarivo Mahazo olona 40 isan’andro farafahakeliny

23/02/2018

Mahazo vahana tanteraka ny fisotroan-toaka sy ny fidorahana zava-mahadomelina eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao. 11 taona no zandriny indrindra amin’izy ireny izay marihina fa mbola mpianatra.

Toeram-pisotroan-toaka eto Antananarivo Mahazo olona 40 isan’andro farafahakeliny

Hamaky ny tohiny...

Fihinana sakafo tsy zarizary Mora mankarary, mampihena ny fitadidiana

23/02/2018

Iray amin’ny olona 50 isa sisa amin’izao raha betsaka no afaka manao tahirin-tsakafo any an-tokantranony.

Fihinana sakafo tsy zarizary Mora mankarary, mampihena ny fitadidiana

Hamaky ny tohiny...

Rakotomihantarizaka Organès Nianjera tao amin’ny “Douche” no nahafaty azy

22/02/2018

Nodimandry teo amin'ny faha-71 taonany omaly alarobia 21 febroary tokony ho tamin'ny 4 ora maraina tany Morondava ny minisitry ny filaminana anatiny tamin’ny andron’ny tetezamita Rakotomihantarizaka Rémy Sylvain Organès.

Rakotomihantarizaka Organès Nianjera tao amin’ny “Douche” no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana tany An’aliny ireo lasibatry ny Tany gasy

22/02/2018

Nanamarika tetsy amin’ny Falda Antanimena, omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo lasibatry ny fisolokiana nataon’ny orinasa mpivaro-tany,

Fisolokiana tany An’aliny ireo lasibatry ny Tany gasy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

8 volana any am-ponja Ramaroson Tsy misy miraharaha intsony

20/03/2017

Taraiky tanteraka i Alain Ramaroson, izay efa 8 volana no migadra any am-ponjan’Antanimora. Tena adinon’ireo manodidina azy tanteraka ity mpanao politika fanta-daza tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ity.

  Resaka ady lova no nambara ho nampidoboka am-ponja azy, saingy tsikaritra ho misy ambadika politika ihany. Tsy arakaraka ny anjara toerany tamin’ny andron’ny tetezamita ny zava-manjo azy ankehitriny satria miady irery sy tsy misy mpiahy  ara-bakiteny. Ny olona akaiky tao an-trano ihany aza no voalaza fa tompon’antoka amin’ny fandentehana azy noho izy tsy mety miova hevitra, ka hangina sy tsy hanakiana intsony ny fitondrana HVM, raha toa ka maniry an’izany mafy io olona akaiky azy io. Voalaza fa tokony ho navoaka i Alain Ramaroson tamin’ny fotoana nanaovana ny Frankofonia saingy nijoro hatrany tamin’ny heviny, ka dia izao vao mainka nilentika tanteraka izao. Voalaza ihany koa fa nahazo tsenam-barotra tamin’ireny asa tamin’ny frankofonia ireny mihitsy ilay olona akaiky azy, ka naleony namoy an’i Alain Ramaroson higadra any am-ponja, toy izay ho very fihinanana. Ireo namana aman-tsakaiza niara-nitolona sy niara-dalana taminy ihany koa efa nanadino ary tsy miaraka amin’ny tsy afaka, ara-bakiteny satria reraka sy resy tanteraka ity namana, ka tsy misy tombontsoa azo antenaina intsony any aminy. Re ankehitriny fa aleon’i Alain Ramaroson manamafy orina ny fihavanana amin’ireo mpiara-migadra aminy satria efa tena naloan’ny fiarahamonina aty ivelany ny tenany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana