Dans la męme rubrique

Tsy niova !

23/02/2018

O ry Jean a ! Isika kely aza mifandrebireby mihitsy aa ! Revy efa hita ihany ity entinareo ity fa aza mifanadala kely azafady ! Mbola sahinao ihany ve ny mamita-bahoaka amin’izao fotoana efa miha maha fadiranovana anay izao ?

Tsy niova !

Hamaky ny tohiny...

Avy nilaza habobo dia nankaiza ?

21/02/2018

Miarahaba ry Jean a ! Inona indray izao no ataonao any ambadimbadika any taorian’iny fanambarana mifono fampiesonana sy fampanantenana poakaty nataonao iny ?

Avy nilaza habobo dia nankaiza ?

Hamaky ny tohiny...

Aoka kosa marina e !

20/02/2018

Fahavaratra manimba, fahavaratra mamono Orambe manondraka sa ranobe mandoto ? Vatobe nazeran'orana, aina nafoy tampoka teo Fiainana daholo izany, tena mampalahelo.

Aoka kosa marina e !

Hamaky ny tohiny...

Aza mifanadala e !

19/02/2018

Izao ve ianao vao mifona nefa ny fiainan’ny Malagasy efa potika tanteraka ry Jean kely ?

Aza mifanadala e !

Hamaky ny tohiny...

Komika…

17/02/2018

Tena tapaka ny tsinaiko eto ry Jean mihaino ny tantaranao ity marina. Manakory aloha ianao ee ! Tafaresaka amin’ny mpiara-miasa aminao fahiny ho aho izaho ato dia tena miolankolan’ny fihomehezana mihitsy maheno hoe hay ve ianao ity efa tamin’ny 40 taona lasa mihitsy no komika be tahaka an’io ee !

Komika…

Hamaky ny tohiny...

Tora-bato miverina

16/02/2018

Miarahaba ry Jean be resaka a..ianareo aloha dia tena tompon-daka amin’ity kabary sy fampanantenana ity e..asa ianao ry jean raha mba efa nieritreritra ny asa mety hataonao aorian’ny tsy maha deba be anao intsony.Izaho aloha mahita hoe laninao tsara ny kabary am-panambadiana, amin’ilay mangataka e.

Tora-bato miverina

Hamaky ny tohiny...

Ataovy eo ihany e !

15/02/2018

Hakarin'ialahy avobe ny vidim-piainanay, Tapahan'laisany ihany koa ny jironay. Bodonareo daholo ireo mba taninay ; Amidinareo ambongadiny ny harem-pirenenay.

Ataovy eo ihany e !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Sosoa voatapo-drano !

20/03/2017

Salama ve ry Jean a ? Dia tena sosoa voatapo-drano indray r’ise ny mpitia kitra teto an-tanŕna tamin’ny sabotsy teo an !


Samy nihevitra mantsy ny rehetra fa ho maivana toy ny nandrodanana ilay antidahy raibeny efa nibodo seza tao anatin’ny 30 taona ny hanapaka ny lalan’ireto zafikeliny saingy toa namaly faty ireny izy, ka dia tsy afa-nanohitra akory ireto mba nantenaina. Ny tena loza anie ry Jean dia iny ny lalao voalohany natrehin’ny ngeza amin’ny maha filoha faratampon’ny kitra aty Afrika azy e ! Sao dia mba efa tandindon’ny ho avy ireny ka vao mainka hilentika any amin’ny lavaka mangitsokitsoka hatrany ity taranja tsy mba mety tafarina hatry naha lohany an’iny olona iny an ! Toa mbola ho ela ihany izany hahita an-dRamalagasy hiteronterona any an-tampon’i Afrika izany amin’ity taranja ity fa Radedaka tompon’ny saina sy ny kajikajy ihany aloha izao no tonga any an-tampony any e ! Toa tsy ho reharehan’ny firenena ihany koa fa ho reharehan-dry manga kravaty mianakavy satria fahafaham-baraka no mety hobabena raha izao fizotry ny tantara aty am-piandohana izao no jerena. Enga anie ry Jean ka mba ho tombana ihany ny ahy ka tsy ho rambony intsony isika fa hisy amin’izay ny fahagagana sady talentanareo manga kravaty mihitsy no manao izany !

Marco diso fanantenana

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana