Dans la męme rubrique

Faran’ny herinandro Sesilany ny lozam-pifamoivoizana

17/09/2018

Nirarakopana ny lozam-pifamoivoizana tamina toerana samihafa sy tany amin’ny lalàm-pirenena ho an’iny faran’ny herinandro iny, izay tsy latsaky ny 5 raha ho an’ny omaly fotsiny.

Faran’ny herinandro Sesilany ny lozam-pifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Fandaminana ny fifamoivoizana Nosokafana ny lalana Petite Vitesse

13/09/2018

Nosokafan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nanomboka ny talata 11 septambra 2018 ny lalana Rainibetsimisaraka manoloana ny Petite Vitesse rehefa nihidy tsy azon’ny fiarakodia nampiasaina nandritra ny efa-bolana.

Fandaminana ny fifamoivoizana Nosokafana ny lalana Petite Vitesse

Hamaky ny tohiny...

Taksi eto Antananarivo Mbola ezaka be ny fanaraha-maso ireo tsy ara-dalĂ na

13/09/2018

Hanatanteraka fihaonambe etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ireo fiarakaretsaka miasa sy mivelona eto Antananarivo anio alakamisy 13 desambra.

Taksi eto Antananarivo Mbola ezaka be ny fanaraha-maso ireo tsy ara-dalĂ na

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana eto Antananarivo Mikorontana tanteraka

11/09/2018

Nametra-pialana omaly ny filoha lefitry ny fivondronan’ny zotra eto an-drenivohitra UCTU, Atoa Jean Louis Emile Rakotonirina. Raha tsiahivina,

Fitaterana eto Antananarivo Mikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Taksiben’Antananarivo Ny mpanjifa no mizaka ny zava-drehetra

11/09/2018

Maro ny taksibe efa nampiakatra avy hatrany ny saran-dalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, ny fotoana no nisy fahasamihafany satria teo ireo nanao izany avy hatrany tamin’ny faramparan’ny volana aogositra fa teo kosa ireo niandry ny voalohan’ny volana septambra vao niroso tamin’ilay saran-dalana 500 ariary.

Taksiben’Antananarivo Ny mpanjifa no mizaka ny zava-drehetra

Hamaky ny tohiny...

Koperativa Tselatra Nitokona ny mpitatitra

10/09/2018

Tsy nisy niasa na dia iray aza ny mpitatitra mivondrona ao amin’ny koperativa Tselatra tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Koperativa Tselatra Nitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...

RN7 Soanierana Taksibe 194 nitrongy andrinjiro, 3 naratra

10/09/2018

Tapaka hatramin’ny jiro teny amin’iny faritra Soanierana ambany mihazo an’Ankadimbahoaka, manaraka ny lalam-pirenena faha-7 iny nanodinana tamin’ny 7ora.

RN7 Soanierana Taksibe 194 nitrongy andrinjiro, 3 naratra

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Fifamoivoizana gaboraraka Toy ny tany tsy misy lalĂ na Antananarivo

16/12/2017

Toa samy manao izay saim-patany ny rehetra amin’ny resaka fifamoivoizana ka tsy mahagaga raha mahazo vahana ny fitohanana eto Antananarivo.

Toa boriborian’ny fiarahamonina amin’ny fiainana efa sarotra ny raharaha, ka tsy hisy hanaiky fehezin’ny lalàna izany intsony.  Nisy, ohatra, ny lalàna mametra ny ora hahafahan’ny sarety sy ny posy hivezivezy eto Antananarivo amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 6 ora maraina. Hita amin’ny ora rehetra anefa izy ireny ankehitriny. Mipetraka foana ny lalàna, saingy mbola maro ny minia mandika azy. Eo am-pitadiavana ny fomba hampahomby tanteraka ny fampiharana lalàna tsy hisian’ny gaboraraka ny kaominina, hoy ny talen'ny fitaterana Raveloson Landy. Ny mahagaga amin’ity toe-javatra ity, dia tazanin’ny polisy fotsiny ireny mpitarika posy sy sarety tarihin’omby manembantsembana ny fifamoivoizana ireny, toy ny eny amin’ny tetezan’Ampasika. Natao ho an’ny taksibe ihany ve ny sazy ?  Efa voafaritra ho amin’ny 9 alina hatramin’ny 5 ora maraina ny hahafahan’ny fiarabe mihoatra ny 16 taonina miditra eto an-drenivohitra, saingy maro no tsy manaja azy io. Ahitana matetika izany amin’iny lalana miditra eto Antananarivo eny Mahazo iny. Matoa mbola tafiditra eto, dia misy antony ao, toy ny tsolotra na kolikoly. Tsy sanatria natao hanilihana vondron’olona amin’ny fitadiavany fa ny fandaminana sy ny lalàna matoa natao dia ny tombontsoan’ny besinimaro no katsahina. Antony lehibe tsy mampandroso sy mampikorontana antsika ity aleo  hihafiana eo aloha na dia efa misy izao aza ny lalàna velona.  Mila fahatongavan-tsain’ny rehetra io, ka tsy andrasana sy arahi-maso toy ny biby vao hanara-dalàna sy fitsipika. Mila mitia filaminana sy firindrana fa tsy zatra miaina anaty korotan-dava. Zavatra tsotra kely hahafahana manafoana ny mpivarotra amoron-dàlana, ohatra, ny misafidy mandeha any amin’ny mpivarotra ara-dalàna hatrany, saingy sarotra ho an’ny Malagasy izany. Aleo tsy manonofy fandrosoana sy manakiana lava ny mpitondra aloha fa mandini-tena.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana