Dans la mme rubrique

Fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana Ampiasaina ny rindram-baiko DHIS2

24/04/2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano ilay rindrambaiko (logiciel) ikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana DHIS2 (District Health Information Software).

Fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana Ampiasaina ny rindram-baiko DHIS2

Hamaky ny tohiny...

Vokovoko mena Malagasy sy Norveziana Tapitra hatreo ny fiaraha-miasa

24/04/2018

Tapitra hatreo ny fiaraha-miasan’ny Vokovokomena Malagasy sy ny vokovokomena Norveziana. Niala tsy hanampy iretsy voalohany intsony mantsy ireto farany, raha araka ny fantatra .

Vokovoko mena Malagasy sy Norveziana Tapitra hatreo ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Ambohijafy Fenoarivo Nahazo rano fisotro madio

24/04/2018

Mbola latsaky ny 35 % ireo olona mahazo rano fisotro madio manerana ny Nosy hatreto. Voakasik’izany manokana ny kaominina ambanivohitra toy ny iainan’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohijafy Fenoarivo Atsimondrano. Mbola mahazo vahana ny fampiasana rano tsy azo antoka ka mahatonga ny aretim-pivalalana …

Ambohijafy Fenoarivo Nahazo rano fisotro madio

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana zaza tsy ampy taona Tena mbola maro eto Madagasikara

23/04/2018

Voararan’ny lalàna tanteraka ny mampiasa zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Mbola maro anefa ny tranga misy momba izany eto Madagasikara na dia misy aza ny lalàna mandrara izany.

Fampiasana zaza tsy ampy taona Tena mbola maro eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Hetsika teny Analakely Nikatona ny ankamaroan’ny mpivarotra, tsy niasa ny taksibe

23/04/2018

Nisedra olana tanteraka ireo mpiantsena teny Analakely sy ny manodidina ny sabotsy teo. Tafiditra tao anatin’izany ireo mpaka entana avy any amin’ny faritra.

Hetsika teny Analakely Nikatona ny ankamaroan’ny mpivarotra, tsy niasa ny taksibe

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Maereza Ambohidratrimo Hahazo lapan’ny tanàna vaovao

23/04/2018

Afa-pahasahiranana tanteraka ny kaominina Maereza, distrikan’Ambohidratrimo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo toy ny paompin-drano fisotro madio, trano fivoahana ho an’ny hôpitaly sy ny CEG ao an-toerana, toerana fanasan-damba ho an’ny mponina mantsy ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Ambohitsirohitra sy ny fikambanana Youth Linc ny faran’ny herinandro teo.

Kaominina Maereza Ambohidratrimo Hahazo lapan’ny tanàna vaovao

Hamaky ny tohiny...

Mananara avaratra Olona 4 maty notifirin’ny zandary

23/04/2018

Mifamahohafo be ny vaovao voaray mikasika ilay sakoroka nitranga tao Mananara avaratra izay mbola tsy milamina hatramin’izao.

Mananara avaratra Olona 4 maty notifirin’ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mpanolotsain’ny filoha Nodimandry i Léon Rajaobelina

12/01/2018

Nodimandry omaly i Léon Rajaobelina, Mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, efa filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Kaompania Air Madagascar teo aloha, Kaomisera jeneraly teo anivon’ny OCSIF, sampana natsangana hiandraikitra ny resaka fifandresen-dahatra amin’ny mpamatsy vola sy ny fanatanterahana ny tetikasa taorian’ny fivoriana tany Paris ny desambra 2016.

 

 Efa nitana ny toeran’ny filoha lefitra sy efa avy Tale Jeneralin’ny « Conservation Internationale » ihany koa ny tenany, ary efa masoivohon’i Madagasikara tany Washington, Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary nitana ny toeran’ny minisitry ny vola sy ny tetibola tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka (1989-1991). Efa tanan-kavanan’ity filoha teo aloha ity izy, ary mbola anisan’ny olona tena nitokisan’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina. Ampahany momba azy sy ny andraikitra efa notanany ihany ireo notanisaina ireo, fa ny azo hamintinana azy dia ny hoe: olobe sy nanana ny naha izy azy teto amin’ny firenena i Léon Rajaobelina. Ny Gazety Tia Tanindrazana, dia miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana