Dans la mme rubrique

Vola ratsy sy simba Miha mahazo vahana indray

25/04/2018

Tsikaritra tato ho ato ny fahamaroan’ny vola ratsy mivezivezy eny an-tsena, eny amin’ny Taksibe ary hatreny amin’ny ireny Banky ireny.

Vola ratsy sy simba Miha mahazo vahana indray

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana finday mba handoavam-bola Ny 60 %-n’ny mponina eto amintsika no efa manao izany

25/04/2018

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia eto amintsika. Anisan’ireny ny fampiasana finday izay zary efa lasa kilalaon’ny rehetra ankehitriny.

Fampiasana finday mba handoavam-bola Ny 60 %-n’ny mponina eto amintsika no efa manao izany

Hamaky ny tohiny...

43 miliara ariary nivoaka tao amin’ny minisiteran’ny atitany Tsy marina, hoy ireo teknisianina

25/04/2018

Anisan’ny resabe nitana ny sain’ny maro hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny fisian’ilay volabe mitentina 43 miliara Ar nivoaka an-tsokosoko teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany mba hanampiana ireo ben’ny tanàna manerana ny Nosy.

43 miliara ariary nivoaka tao amin’ny minisiteran’ny atitany Tsy marina, hoy ireo teknisianina

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Alasora Tsy ahiana intsony ny tondra-drano

25/04/2018

Anisan’ny kaominina nahiana mafy tamin’ny tondra-drano teto Antananarivo sy ny manodidina ny kaominina Alasora tamin’ny taona 2017.

Kaominina Alasora Tsy ahiana intsony ny tondra-drano

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa 3P Youpi Water Park/ CUA Ho fanatsarana an’Antananarivo

25/04/2018

Ho fanatsarana ny tanànan’Antananarivo dia mamaramparana ny fanamboarana ny toerana etsy amin’ny « avenue Cenam 67 ha Sud » ny Youpi Water Park izay tetikasa filamatra (projet pilote) azo atao amin’ny toerana malalaka rehetra.

Tetikasa 3P Youpi Water Park/ CUA Ho fanatsarana an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana Ampiasaina ny rindram-baiko DHIS2

24/04/2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano ilay rindrambaiko (logiciel) ikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana DHIS2 (District Health Information Software).

Fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana Ampiasaina ny rindram-baiko DHIS2

Hamaky ny tohiny...

Vokovoko mena Malagasy sy Norveziana Tapitra hatreo ny fiaraha-miasa

24/04/2018

Tapitra hatreo ny fiaraha-miasan’ny Vokovokomena Malagasy sy ny vokovokomena Norveziana. Niala tsy hanampy iretsy voalohany intsony mantsy ireto farany, raha araka ny fantatra .

Vokovoko mena Malagasy sy Norveziana Tapitra hatreo ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...


Actualits

La Haute Ville Namono olona ny trano nianjera

12/01/2018

Taorian’ny fanentanana nataon’ny Lehiben’ny distrikan’Antananarivo II sy ireo sefom-pokontany eny amin’ny faritra avo mikasika ny tokony hialan’ireo mponina eny an-toerana,

  indrindra amin’ireo faritra ahiana hihotsaka dia trano iray izay efa tranainy ihany no nianjera omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora, teny La Haute. Nitriatra ny ampahany tamin’ity trano ity ka nanototra avy hatrany ireo olona telo tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny olona iray ary efa tao anaty tany kosa no nosokirina ny roa ambiny saingy avotra soa aman-tsara ihany. Tsy niandry ela ny fikambanana Za Gasy nanoloana izany fa nitondra ireo marary avy hatrany tany amin’ny hopitaly izay marihina fa efa nody omaly maraina ihany koa taorian’ny fitsaboana natao taminy. Notronina fokonolona marobe ny fikambanana nandritra izany. Nisy moa ny antso avo nataon’ny Filohan’ny fikambanana ny amin’ny hifanotronan’ny mpiara-belona tahaka izao raha sanatria ka misy zavatra mitranga amin’ny alina narahin’ny fankaherezana ireo  fianakaviana nanamanjo sy fanentanana  ireo tokony handao ny trano fonenany nefa mbola mikiry ihany. Marihina fa ny toetr’andro tahaka izao orana miampy hafanana izao no tena mampianjera ny trano fonenana haingana dia haingana tokoa, indrindra fa ireo efa tranainy. Toraka izany koa ny toerana mihotsaka izay efa maromaro ihany eny amin’ny faritra avo.

Pati


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana