Dans la mme rubrique

Afera Eddy boaderozy Maromaro mbola hosamborina…

15/02/2019

Ny volana novambra no tonga teto i Eddy Maminirina voarohirohy tamina fanondranana boaderozy tamin’ny taona 2013-2014 ka nitsoaka tany am-pita kanefa aty amin’ny febroary 2019 vao nosamborina.

Afera Eddy boaderozy Maromaro mbola hosamborina…

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Kraomita Malagasy Mamono afo fotsiny ny fanjakana

15/02/2019

Nanao fanambarana indray ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Malagasy Kraomita omaly alakamisy 14 febroary tetsy amin’ny foibeny Ampefiloha ny amin’ny fanamafisana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fifanarahana amin’ny orinasa rosiana Kraoma Mining sy Ferrum Mining.

Orinasa Kraomita Malagasy Mamono afo fotsiny ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana kolikoly Zandary 24 no naiditra am-ponja

15/02/2019

Efatra amby roapolo no isan'ny zandary naiditra am-ponja vonjimaika tamin'ireo 336, hatramin'ny taona 2016. Araka ny vaovao nampitain'ny tompon’andraikitra sady manamboninahitra ambonin'ny Zandarimariam-pirenena, Général de Brigade Manase Jean Mananga,

Fanaovana kolikoly Zandary 24 no naiditra am-ponja

Hamaky ny tohiny...

La City Ivandry Voasambotra i Eddy boaderozy

13/02/2019

Tahaka ireny amin’ny sarimihetsika ireny ny zava-niseho tetsy amin’ny La City Ivandry omaly talata takariva manodidina ny tamin’ny 4 ora sy sasany.

La City Ivandry Voasambotra i Eddy boaderozy

Hamaky ny tohiny...

Hugue Ratsiferana Tratry ny velam-pandrika…

13/02/2019

Niakatra fitsarana omaly i Hugue Ratsiferana, rehefa notorian’ny fanjakana, ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Hugue Ratsiferana Tratry ny velam-pandrika…

Hamaky ny tohiny...

Ambovombe Androy Potika ny tontolo iainana

13/02/2019

Tsy mahagaga raha miverimberina hatrany ny kere any amin’ny faritra Atsimo.

Ambovombe Androy Potika ny tontolo iainana

Hamaky ny tohiny...

HOPITALIBE ANKAZOBE May nipoahan'ny lasantsy ny mpitsabo

13/02/2019

Kilan'ny afon-dasantsy ny Dokotera iray tao amin'ny Hopitalibe Ankazobe.

HOPITALIBE ANKAZOBE May nipoahan'ny lasantsy ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

17/01/2018

Mpivarotra efa ho 320 mahery avy etsy Andrefan’i Manajara, ao anatin’ny Boriborintany faha-4, monina sy manao asa fivarotana eny an-toerana no tonga nidinidinika sy nitafatafa ary niarahaba nahatratra ny taona 2018 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 16 jolay tolakandro.

 Tapaka tamin’izany fa hajoro ny kaomisionina ahitana ny solontenan’ny mpivarotra isaky ny sokajin’entana arakaraka ny entana varotan’ny mpivarotra tsirairay, hiara-kidinika amin’ny teknisianin’ny kaominina mba hampirindra tsara ny toeram-pivarotana taorian’ny fanadiovana ny lakandrano, nanomboka teny Madera Namontana ka hatrany Anosibe sy ny manodidina. Zava-baovao nentin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ihany koa ny fananganana « Pavillon » vaovao hivarotan’ireo mpivarotra rehetra tsy an-kanavaka efa mpivarotra teo. Ny soa iombonan’ny Malagasy no tanjona ary manantena ny hisian’ny fiovana ny mponina satria tsy mendrika ny Malagasy izao toerana misy azy izao. Tsy mitsahatra mijery izay mahasoa ny vahoaka ny Ben’ny tanàna satria sarobidy aminy ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Ambentin-teniny ny filazana fa ilaina taizana ara-panahy aloha ny vahoaka, izay vao ny fitaizana arak’olona ka amin’izao fotoana izao dia efa tafatsangana manerana ny Boriboritany 6 ny fitaizana ara-panahy mba hahaolom-banona ny mponina. Mivoha midanadana ny varavaran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy izy ka aoka tsy handairan’ny tsaho sy ny fampitahorana ny mponina fa raha misy tsy azoazo dia ny fifampiresahana sy mangataka fanazavana ihany no vahaolana. Tsy maintsy tohizana ny fidinana ifotony hanakaikezana ny mponina, ahitana ihany koa izay tena manjo ireo vahoaka ireo, ny zavatra ilainy sy izay miantraika amin’ny fiainany. Samy nilaza ny hetahetany ireo mpivarotra ary samy nahazo valiny nahafa-po, ka dia nanolotra fanomezana ihany koa ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ho an’ireo mpivarotra tonga teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana