Taratasy hoan'i jean
Dridrangilo a
17/01/2018
O ry Jean aa! Mba ataovy ambanimbany kely ilay matĂ´sy azafady oo! Izany dridrangilo izany foana ve no ampihenoina vahoaka eto e ?
Inona ihany ity lazainareo fa tsy mangarahara lava ity e? Firy taona izay. Dia mbola tsy ampy anareo foana ve ireny porofo sy fanazavana nomena an-karihary ireny? Ohatry ny odianareo jamba anie ry Jean ilay hoe tsy nanome na ny ariary ho an’ity tananantsika ity mihitsy Rafanja e! Nefa na eo aza izany iarahantsika mahita izao fa mba nisy ezaka ihany, ohatra, nahafahana nampikorisa kokoa ny fifamoivoizana sy nandaminana ny tsena. Sao dia mba tsy fantatrao koa ary aloha ny tena andraikitrao sy ny famaritana ilay atao hoe “mpanolotsaina” ? Toa ny nifanohitra tamin’izany foana mantsy hatreto no nataonao hatramin’izay nandraisanao fahefana. Tena izany ve ry Jean no antsoinao hoe politika? Sao dia mba tsy tokony hiditra amin’io revy io ary ianao fa efa hita mihitsy anie hoe tsy zakanao ilay izy hatramin’izay ee! Inona moa no mba vitanao ity ankoatr’izay fitsikerana sy vava be izay ee? Tena miangavy aho re ry Jean a! mba hajanony ho aho ilay dridrangilo.Ampy kosa izay a.
Marco