Dans la mme rubrique

Fampahantrana an`i Afrika Sazio i Lafrantsa, hoy i Luigi Di Maio

23/01/2019

Taorian`ny fifindra-monina eo amin`ny firenena Atsimo sy Avaratra, izay tena nirongatra an-taonany maro dia misedra ny krizin`ny mpifindra monina i Italia amin`izao.

Fampahantrana an`i Afrika Sazio i Lafrantsa, hoy i Luigi Di Maio

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana Iraisam-pirenena na CPI Ny Afrikanina no tena lasibatra

18/01/2019

Fitsarana iraisam-pirenena ny « Cour Pénale Internationale » fantatra amin’ny hoe CPI, izay manana ny foibeny any La Haye any Pays Bas.

Fitsarana Iraisam-pirenena na CPI Ny Afrikanina no tena lasibatra

Hamaky ny tohiny...

Harinkarena Amerikana Nidina 0,5%

14/01/2019

Tsy mitovy hevitra ny antenimieran-doholona sy ny kongresy amerikana ny amin’ny teti-bola fampandehanan-draharaha indrindra manoloana ny tetikasan’ny filoham-pirenena Donald Trump ny hananganana ny rindrim-be manasaraka an’i Etazonia sy Meksika.

Harinkarena Amerikana Nidina 0,5%

Hamaky ny tohiny...

Firenena eoropeanina Efa miditra amin’ny fahasahiranana ara-toekarena

07/01/2019

Miadam-pamindra tanteraka ny toekarena ao amin’ny firenena eoropeanina, indrindra ireo mikambana ao amin’ilay atao hoe zone euro amin’izao fotoana izao.

Firenena eoropeanina Efa miditra amin’ny fahasahiranana ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...

Lanonam-panjakana eny Iavoloha Hiompana amin’ny inona ?

05/01/2019

Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny alatsinainy 7 janoary 2019 ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana fifampiarahabana ofisialy noho ny taona vaovao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

Lanonam-panjakana eny Iavoloha Hiompana amin’ny inona ?

Hamaky ny tohiny...

Krizy ara-bola tany Etazonia 10 taona aty aoriana mbola misy takaitra

02/01/2019

Tena sarotra tamin’ny Amerikanina ny nanarina ny rafitra ara-bolany taorian’ny krizy ara-bola navaivay tamin’ny taona 2008. Amin’izao fotoana izao dia manome 6 hatramin’ny 7% amin’ny toekarena manontolo ny rafitra ara-bola dia ny banky sy ny fiantohana raha 10% talohan’ny krizy.

Krizy ara-bola tany Etazonia 10 taona aty aoriana mbola misy takaitra

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny Fitsarana Hampihena ny isan`ireo voafonja tsy mbola notsaraina…

02/01/2019

Olana sedrain`ny fonja manerana ny nosy indrindra eny Antanimora ny fahatereny.

Minisiteran`ny Fitsarana Hampihena ny isan`ireo voafonja tsy mbola notsaraina…

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Tiorkia Voasazy mafy ireo mpamono mpitsoa-ponenana

17/01/2018

Lehilahy 2 Tiorka namono mpitsoa-ponenana avy any Syria no voaheloky ny fitsarana any Sakaraya, any avaratra andrefan’i Tiorka higadra mandrapahafaty. Ireto lehilahy ireto moa dia nanolana ramatoa 1 izay niaraka tamin’ny zanany vao 10 volana. Rehefa vita ny nataony dia novonoiny izy mianaka. I Tiorka moa dia anisan’ireo firenena mandray mpitsoa-ponenana maherin’ny 3 tapitrisa avy any Siria


Tetezana nirodana tany Kolombia

Am-polony no maty

Tetezana 1 izay vao amboarina hampitohy ny renivohitr’i Kolombia sy i Villavicencio no nirodana tany akaikin’ny tanànan’iGuayabetal any amin’ny 65 km atsimon’i Bogota, ka olona am-polony izay mpiasa manamboatra io tetezana io no maty ary 8 no naratra. Ny ankamaroan’ireto mpiasa ireto dia mpanao soudure ka ry zareo mbola nanao ny tany ambany no nirodana tampoka ireo vy eny ambony ka voatsindry tao.

Birmania

Hiverina ireo mpitsoa-ponenana Rohingya

Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanarahana i Bangladesh sy i Birmania tany Naypyidaw any Birmania ny talata teo. Ity fifanarahana ity moa dia mahakasika ny tokony hiverenan’ireo mpitsoa-ponenana Rohingya miisa 650 000 any Birmania ao anatin’ny 2 taona. Nandositra noho ny fanagejan’ny tafikaBirmanianina azy ireo,  ireto mpitsoa-ponenana ireto tamin'ny faran'ny volana aogositra 2017.

Emmanuel Macron

“Hosaziana ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy”

Nanao valandresaka ho an’ireo mpitandro ny filaminana ao Calais ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron nandritra ny fitsidihany tany an-toerana ny amin’ny tsy tokony hisian’ny herisetra atao amin’ireo mpifindra monina. Nambarany fa hosaziana ireo izay nihoa-pefy. Niantso ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana  ihany koa izy mba handray ny andraikiny. Nampanantena ny tenany fa hanome tambin-karama manokana ho an’ireo mpitandro ny filaminana amin’ity taona 2018 ity.

Alemaina

Mpianatra 43 naratran’ny lozam-pifamoivoizana

Nahitana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona miisa 48 tany atsinanan’i Mannheim, omaly ka ny 43 amin’ireo dia ankizy avokoa. Fiara 1 nitondra olona sy mpianatra no nandona fiara maromaro tao anaty fiholanana rehefa tsy tafajanona ka nifatratra tamina trano 1. Ny 10 no tena voa mafy raha ny tatitry ny polisy any an-toerana

CHAN 2018 – Maraoka

Nizerianina no mpilalao zandriny indrindra

Ilay mpilalao Nizerianina Nura Mohammed, 15 taona,  teraka tamin’ny  2 desambra 2002 no zandriny indrindra amin’ireo mpilalao mandray anjara amin’ny Chan Maroc 2018. Ilay mpiandry haraton’ny ekipan’i Congo,  Barel Mouko 39 taona, teraka tamin’ny 1979 kosa no mpilalao zokiny indrindra.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana