Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

23/02/2018

Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

23/02/2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

Hamaky ny tohiny...

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

23/02/2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

23/02/2018

Mikorontana ny tontolo politika ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoe iza no manohana an’iza, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Georget Alexandre, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny zava-misy ankehitriny teny amin’ny biraony eny Ambohitsoa omaly.

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

23/02/2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

Lalàna mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

23/02/2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

23/02/2018

Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Lehilahy iray antsoina hoe Ciro Visone no nampiandraketin’ny fanjakana Malagasy hiara-kanomana ny fihaonana Ekonomika tany Italie, volana maromaro izay. Voalaza fa tsy nisy ny taratasy ofisialy manendry azy, fa tsindry bokotra avy amin’ny fanjakana Malagasy satria mpiray afera sy mpiray tendro amin’ny mpitondra eto amintsika izy io hatry ny tetezamita, ary nitohy tamin’ny HVM, ka efa nomena zom-pirenena Malagasy mihitsy.  Fantatra anefa fa voakasiky ny raharaha maloto tany Italie izy, ka tombanana ho efa maro ny afera niraisany tamin’ny mpitondra eto Madagasikara, izay tompondaka amin’ny resaka kolikoly. Nenjehina ny orinasa Hill Insurance Ltd noho ny resaka aferana volabe hatrany amin’ny 52 tapitrisa Euros. Namoahana didy fandroahana tsy hiasa ao amin’ny Repoblika Italianina io orinasa io, izay izy no mpitantana tao. Fikambanana mpanao heloka bevava mombana hosoka no nanenjehana azy. Rehefa halalinina, nisy resaka hafahafa ny fivahinianan’ny delegasionina Malagasy tany, izay izy no anisan’ny nikarakara. Nisy ny fananganana ny « chambre de Commerce Italie Madagascar » na CCIIM nanenjehana ilay fikaonandoha ara-toekarena, ka io Ciro Visone io no no notendrena ho taleny. Nireharehana fatratra io CCIIM io, saingy nivoaka ihany ny resaka fa tsy misy lanjany sy tsy ekena any Italie akory. Amin’ny alalan’ny “Arrêté Minisiteriel” manokana avoakan’ny minisiteran’ny varotra sy ny Indostria Italianina no hahafahana manangana Antenimieran’ny varotra sy indostria amin’ny anaran’ny fireneny any amin’ny firenena ivelany, mandalo fanaraha-maso sy fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, niasa tao anatin’ny 2 taona farafahakeliny io Antenimieran’ny varotra io,... Tsy nahafeno ny fepetra ny CCIIM, araka ny fanambarana efa nataon’ny tompon’andraikitry ny Confindustria, ary tsy naharay ny fangatahana mba hankatoavana azy ny ambasady. Mety ho mpanome vahana sy mpiray tendro aminy ny fitondrana eto Madagasikara, na koa voafitany izay sarotra inoana. Manao hosoka ho tena olobe sy eken-teny aty amintsika mba hampandeha ny aferany any aminy izy. Nilaza ho talen’ny orinasa misahana ny fiantohana na “Assurance” antsoina hoe Viola eto Madagasikara nanomboka ny taona 2014 izy, saingy tsy misy sy tsy nisy izany eto. Tsy ekena ho anisan’ny oniversite any Italie ilay ivontoeram-panofanana Universita Popolare degli Studi Di Milano, ka sokajiana ho toy ny orinasa tsy miankina tsotra, izay nanome diplaoma “Honoris causa” ho an’ny filoha ankehitriny, ary tao no nianatra i Ciro Visone. Nangataka hanao “Consul honoraire” an’i Madagasikara izy noho ny efa nahazoany zom-pirenena Malagasy, fa tsy neken’i Italie. Notendrena ho mpikambana ao anatin’ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria ao Nosy be izy taorian’izay. Izany no olona miaraka amin’ny HVM.

 

Volabe 27 000 000Euros

Nisy ny resaka famoahana volabe 27 000 000 Euros na 102 600 000 000Ar eo raha 3800Ar ny Euro tao amina minisitera iray navoaka tamin’ny dia tany Italie, ka voalaza fa nampiasana izany ny fanofana fiara, indrindra fa ho an’ny vadin’ny filoha. Fitsidihana tamim-pomba ofisialy anefa no natao tany, ka ny firenena mampiantrano no tokony hiantoka. Natao inona io vola io ? Sa nanaovana “shopping”? Ny Malagasy anefa etsy an-daniny mahantra fadiranovana. Ny mpitondra kosa tsy menatra fa miliba ihany miliba hatrany.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana