Dans la mme rubrique

Fitondram-panjakana Mamaky ady amin’ny mpampianatra sy ny sendika

13/07/2018

Nanome baiko hentitra ny amin’ny hampitsaharana ireo fitakiana sy tolona sendikaly nandritra ny filan-kevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly ny filoham-pirenena.

Fitondram-panjakana Mamaky ady amin’ny mpampianatra sy ny sendika

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra be afera sy kolikoly Mirehareha amin’ny tsy misy dikany…

13/07/2018

Mivaona tanteraka ny zava-misy eto satria ny olona efa neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa nanitsakitsaka lalàmpanorenana no mbola avela mitantana firenena.

Mpitondra be afera sy kolikoly Mirehareha amin’ny tsy misy dikany…

Hamaky ny tohiny...

Mihamafy ny tolona sendikaly Mikatso ny firenena, sahirana ny mpitondra

13/07/2018

Raikitra indray ny diabe niala teny Ambohijatovo nihazo an’Antaninarenina sy Anosy niarahan’ny Faribon-tsendikaly na ny SSM omaly.

Mihamafy ny tolona sendikaly Mikatso ny firenena, sahirana ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hanohy ny fanampiany ny Amerikanina

13/07/2018

Tonga nitsidika tamin’ny fomba fifanajana an’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny tale jeneraly misolo toerana eo anivon’ny USAID, Chris Milligan, niaraka tamin’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikanina, miasa sy monina eto Madagasikara, Stuart Wilson omaly.

Fiaraha-miasa Hanohy ny fanampiany ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Briand Andrianirina Sekretera jeneraly vaovaon’ny MPTDN

13/07/2018

Briand Andrianirina Sekretera jeneraly vaovaon’ny MPTDN

Hamaky ny tohiny...

Paositra Malagasy Hiroso amin’ny fandefasana vola mankany ivelany

13/07/2018

Tsy lany lamaody akory ny paositra Malagasy fa azo hampiarahana tsara amin’ny teknolojia misy ankehitriny, hoy Rakotomalala Nirina Augustin, tale jeneraliny omaly.

Paositra Malagasy Hiroso amin’ny fandefasana vola mankany ivelany

Hamaky ny tohiny...

Firongatry ny kolikoly Very 250 miliara ariary isan-taona ny fanjakana

12/07/2018

Firongatry ny kolikoly Very 250 miliara ariary isan-taona ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Italianina akaiky ny fitondrana Olona madio aho, hoy i Ciro Visone

23/01/2018

Efa telopolo taona eo no nahafantarako an’i Madagasikara ary tamin’ny taona 2002 dia nitsidika matetika an’i Nosy Be…

Amin’ny maha mpandraharaha ny tenako dia efa hatry ny ela aho no naniry mafy ny hampifanakaiky ny mpitondra ny firenena roa tonta (Italia-Madagasikara) mba hisian’ny fifampiresahana bebe kokoa sy hisian’ny fifandraisana ara-barotra bebe kokoa eo amin’izy ireo, hoy i Ciro Visone. Afaka niara-nikarakara tamin’ny tompon’andraikitry ny Masoivoho Malagasy ny fihaonan’ny filoham-pirenena roa tonta aho, ka nanararaotra ny fitsidihana ofisialy efa voakarakaran’ny FAO ho an’ny filoham-pirenena Malagasy taty Roma. Eo am-panomanana ny fihaonana hatao ao Antananarivo izahay ny volana aprily ho avy izao, hahitana ireo mpandraharaha Italiana azo antoka, izay nampiseho fa liana amin’i Madagasikara izy ireo, ary naneho ny finiavan’izy ireo ny hiasa ho an’ny tombontsoan’ny firenena. Momba ny  “Chambre de Commerce et d’Industrie Italie-Madagascar” dia tsy nahazo fankatoavana eto i Italie. Ny antony dia satria mila miasa farafahakeliny 2 taona any ivelany vao afaka hiasa any Italie. Mikasika ny orinasa “Hill Insurance Company LTD” any Gibilterra, dia izaho tompony no nampanao “liquidation volontaire” an’io orinasako io tamin’ny volana agositra 2012. Nahatratra 130 tapitrisa Euros ny “chiffre d’affaires” an’ny orinasa tamin’ny taona fahefatra niasany fotsiny. Voatery aho nanao “Liquidation volontaire” azy io, satria adidiko izany mba ho fitandroana ny didy aman-dalàna sy hitandrovana ny hasina mahaolona ahy. Vokatr’izany ary dia olona roa no voaheloky ny Fitsarana an-tampony any Gibilterra, sady ara-keloka bevava no ara-pamaizana io satria nanararaotra ny andraikitra notazoniny izy ireo. Ny zavatra tsy azo lavina ary azo hamarinina tsara dia ny hoe: madio ny “casier judiciaire” ananako, hoy izy. Momba ilay hoe maha talen’ny orinasa antsoina hoe Viola Assurance et Réassurance”, dia efa voarakitra ao anatin’ny “Gazetim-panjakanan’ny Repoblikan’i Madagasikara, taona faha-131 N3648 ny alatsinainy 2 novambra 2015”, “...arrêté n°15 944/2015 - MFB/SG/DGT7DOF7SCA du Ministre des Finances et du Budget, 4 mai 2015” izany hoy izy. (…) Naleoko notazonina tsy hiasa aloha izy io mandra-pahazoako fitokisana momba ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena any Madagasikara. Mino aho ankehitriny fa tonga ny fotoana mahamety izany, koa raha sitrapon’Andriamanitra dia hanomboka hisokatra amin’izay ny “Viola Assurance et Réassurance” amin’ity taona ity, hoy i Ciro Visone.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana