Dans la mme rubrique

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

25/04/2018

Roso ny tolon’ny depiote ho an’ny fanovana ary tsy hanaiky raha tsy miala ny filoham-pirenena. Hirodorodo hanatitra fitoriana mitaky ny fialan’ny filoha eny amin’ny Fitsarana noho ny fandatsahan-dra sy ny fandatsahana aina Malagasy izy ireo sy ny vahoaka anio alarobia.

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

Hamaky ny tohiny...

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

25/04/2018

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo mpanao politika manoloana ny toe-javatra nampalahelo niseho tetsy Analakely ny sabotsy 21 aprily teo. Nanao fanambarana ny antoko Leader fanilo tarihin-dRabesa Zafera Antoine sy Lalaina Berthnes tetsy Antaninandro omaly talata 24 aprily tetsy Antaninandro.

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

Hamaky ny tohiny...

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

25/04/2018

Samy miandry izay hiafaran’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny rehetra hoe hanao ahoana ? Nilaza ny tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fitakiana momba ny lalàna mifehy ny fifidianana intsony fa mivoy ny hialan’ny filoha noho ny fandatsahan-dra sy famonoana ny Malagasy ka efa fanjakana mihosin-dra no misy.

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

25/04/2018

Tsy fantatra mazava ankehitriny na efa eto an-tanindrazana i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filohantsika na mbola any ampitan-dranomasina.

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

25/04/2018

Sesilany ny fanehoan-kevitr’ireo hery velona politika manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny fireneny. Nilaza ihany koa ary ny antoko Teza, tarihin’ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa miditra amina lojikam-pifandonana isika amin’izao fotoana,

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

Hamaky ny tohiny...

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

25/04/2018

Nanao antso avo eo anatrehan`ny firenena ny Antoko Vonona Hijoro ho an`ny Tanindrazana (VHT). Nisafidy ny toerana tao amin`ny Telozoro Andrefanambohijanahary izy ireo nanaovany ny fanambarana manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny 21 aprily 2018 izay nitarika faharatrana sy vono olona.

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

25/04/2018

Omaly talata no nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny Immeuble Santa Antanimena ny KMF/CNOE manoloana ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena.

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Constant Raveloson « Aoka tsy haverina eto ny 1972 »

26/01/2018

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly alakamisy25 janoary 2018 ny filohan’ny KMMR (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana) Atoa Raveloson Constant. Anisan’ny noresahany ny momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara.

Momba ny lanonana fisandratana mirindra teny Iavoloha  notanterahana omaly dia nilaza izy fa ny olona any amin’ny 100 andro manomboka hitondrany no manambara ny fisandratana fa ny an’ny mpitondra HVM aty amin’ny zato andro farany. Akoho tsy naneno ohatr’izay ve tsy efa lanin’ny kary ? Amiko dia tsy misy afa-tsy fifidianana madio, mazava, malalaka no atao eto, hoy izy. Manipy teny ihany aho amin’ny maha mpitantana ny KMMR ahy, hoy izy hoe efa hita teo amin’ny tantaran’ny firenentsika, tany amin’ny faritra atsimo manontolo iny ny zava-nitranga tamin’ny 1972. Nisy ireo mpiasam-panjakana sy olom-boatendry mila sitraka sy mila “19” any ambony. Mampiseho ny fomba fankahalana rehetra ireny fandroahana an’i Marc Ravalomanana tany Tolagnaro sy Amboasary atsimo ireny, hoy izy ary ny mampalahelo dia nampiasaina ny miaramila hanao izany. Sary ratsy tahaka izay niainantsika tany amin’ny taona 71 tany no nisy. Izay maneho hevitra sy mitsangana hafa noho ny tompon’ny any an-dapa ve izany dia ilana sotasota sy hetraketraka. Ireo ki-fonksionera sy ki-olomboatendry any an-toerana no mampiasa ny mpitandro ny filaminana hanao zavatra hafahafa, tahaka izany koa ny tany amin’ny taona 71, ilay tompon’andraikitra sy olomboatendry no mila sitraka amin’ny lehibeny ary te hampiseho hoe izahay no mafy be ary tsy avelanay hisy olombelona hafa manakiana izany eto. Tsy mety ary tsy fanao mihitsy ireny, hoy izy ary tena manalabaraka sy mahavery hasina tsotra izao ny foloalindahy. Tsy tokony haverina eto intsony ny korontana toy ny tamin’ny 1972, hoy ny filohan’ny KMMR fa fifidianana madio sy malalaka no andrandraina.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana