Dans la mme rubrique

Afera maloto Azo atao ny managadra olona ambony

19/10/2018

Nanao fanamarihana mahakasika ny andraikitra sahanin`ny Fitsarana Ambony (HCJ) ny mpitsara sady mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Nilaza izy fa tafiditra amin`ny fametrahana tany tan-dalàna ity rafi-pitsarana ity.

Afera maloto Azo atao ny managadra olona ambony

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Andramasina Nosomparana fa maka an’i Dada ihany

19/10/2018

Tafiditra tsara ao anatin’ny fampielezankevitra amin’izao fotoana ny Distim Andramasina, hoy ny filohany, Herinjato Rabetokotany.

Distrikan’Andramasina Nosomparana fa maka an’i Dada ihany

Hamaky ny tohiny...

Depiote sy TIM aryKMMR Boriborintany faha-6 Miara-mientana amin’ny fampandaniana ny kandida n° 25

19/10/2018

Ankoatra ny fitetezana tokantrano na ilay « porte à porte » natao ho fampandaniana ny n°25 Marc Ravalomanana tao amin’ny fokontany Antanety Sud sy

Depiote sy TIM aryKMMR Boriborintany faha-6 Miara-mientana amin’ny fampandaniana ny kandida n° 25

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Menatra mitondra an’ireo goaikantitra ?

19/10/2018

Fa maninona no tsy entin-dRajoelina miaraka manao fampielezan-kevitra aminy ireo goaikantitra na dinaozoro politika ao anatin’ny Armada, izay efa nilaza fa hanohana azy ?

Andry Rajoelina Menatra mitondra an’ireo goaikantitra ?

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Olon’Andriamanitra aho ka tsy hamitaka anareo”

19/10/2018

Ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Lokomby, Faritra Atsimo Atsinanana no nanaovan’ny kandida laharana-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly Alakamisy 18 Oktobra 2018 maraina.

Marc Ravalomanana “Olon’Andriamanitra aho ka tsy hamitaka anareo”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Lasa mpangala-tahaka sisa…

19/10/2018

Kandida sokajiana ho matanjaka sy mety hifampitady mihitsy i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana hatao amin’ny 7 novamba izao.

Andry Rajoelina Lasa mpangala-tahaka sisa…

Hamaky ny tohiny...

Herisetra sy hetraketraka ara-pifidianana Namoahana torolalana manokana

19/10/2018

Omaly alakamisy 18 oktobra no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny torolalana ho an’ny olom-pirenena ho fiaraha-mientana amin’ny fitandroana ny filaminana mandritry ny fifidianana.

Herisetra sy hetraketraka ara-pifidianana Namoahana torolalana manokana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida ho filoham-pirenena Tsy ho latsaky ny 15 isa…

29/01/2018

Hatreto aloha, efa mihoatra ny 15 ireo heno fa hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ity taona ity.

 

Sesilany tato ho ato ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara ny filatsahan’ny filoha mpanorina ny antoko, Hery Rajaonarimampianina. Na tsy mbola nahenoana valin-teny mikasika izany aza ity filoham-pirenena ity dia efa nilaza ny HVM fa hanana kandida. Anisan’ny kandida goavana efa nilaza ny filatsahany kosa ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Ho heno ato ho ato ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Efa mazava fa hilatsaka  ny filoha mpanorina ny antoko GFFM, André Christian Dieudonné na ny pasitera Mailhol. Nanamafy koa ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny vovonana iraisan’antoko politika maro Armada fa hanana kandida tokana. Azo tombanana ihany koa anefa hoe raha tsy mifanaraka amin’ny ora farany ny avy eo anivon’ity vovonana mpanohitra ny fitondrana ity dia hiteraka kandida maromaro koa. Vovonana malaza efa niteny fa handray anjara ihany koa moa ny DFP (Dinika ho amin’ny Fanavotam-Pirenena) teo aloha izay efa niova Dingana ho amin’ny Fampandrosoam-Pirenena. Ireo antoko heverina ho matanjaka sy natsangan’ireo mpitondra teo aloha toy ny Arema sy Leader fanilo ary UNDD moa dia efa samy nanambara fa vonona handray anjara. Toy izany koa ny antoko Monima tarihin’ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo. Praiminisitra teo aloha efa heno ho mivonona hifaninana koa ny praiminisitra faharoa tao anatin’izao fitondrana izao, Jean Ravelonarivo sy ny praiminisitry ny tetezamita farany teo, Jean Omer Beriziky. Andriambavilanitra miisa 2 mitantana fikambanana sosialy ihany koa ankehitriny no efa heno ho mihetsiketsika sy miomana. Ireo mpandraharaha malaza ho be vola indrindra, toa an-dry Orlando Raobimanana sy Ny Rado Rafalimanana moa dia efa hita ho nanomboka naha be resaka ny mpanara-baovao ihany na tsy nilaza tamin’ny fomba ofisialy aza. Efa heno ihany koa ilay mpandraharaha, Bruno Ravelonanosy. Niteraka fihetseham-po maro, toy ny hafaliana, fahasorenana, nefa mety nahatsikaiky ny maro ihany koa anefa ny fahenoana ireo nalaza ho mpaminany nanana raharaha manahirana teo anivon’ny fitsarana tato ho ato toy ny Apostoly Tsaratsara sy Marc Tatandraza ary ilay mpiketrika ctic ctac dou, Cohen Rivolala.


J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana