Dans la mme rubrique

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

25/04/2018

Roso ny tolon’ny depiote ho an’ny fanovana ary tsy hanaiky raha tsy miala ny filoham-pirenena. Hirodorodo hanatitra fitoriana mitaky ny fialan’ny filoha eny amin’ny Fitsarana noho ny fandatsahan-dra sy ny fandatsahana aina Malagasy izy ireo sy ny vahoaka anio alarobia.

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

Hamaky ny tohiny...

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

25/04/2018

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo mpanao politika manoloana ny toe-javatra nampalahelo niseho tetsy Analakely ny sabotsy 21 aprily teo. Nanao fanambarana ny antoko Leader fanilo tarihin-dRabesa Zafera Antoine sy Lalaina Berthnes tetsy Antaninandro omaly talata 24 aprily tetsy Antaninandro.

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

Hamaky ny tohiny...

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

25/04/2018

Samy miandry izay hiafaran’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny rehetra hoe hanao ahoana ? Nilaza ny tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fitakiana momba ny lalàna mifehy ny fifidianana intsony fa mivoy ny hialan’ny filoha noho ny fandatsahan-dra sy famonoana ny Malagasy ka efa fanjakana mihosin-dra no misy.

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

25/04/2018

Tsy fantatra mazava ankehitriny na efa eto an-tanindrazana i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filohantsika na mbola any ampitan-dranomasina.

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

25/04/2018

Sesilany ny fanehoan-kevitr’ireo hery velona politika manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny fireneny. Nilaza ihany koa ary ny antoko Teza, tarihin’ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa miditra amina lojikam-pifandonana isika amin’izao fotoana,

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

Hamaky ny tohiny...

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

25/04/2018

Nanao antso avo eo anatrehan`ny firenena ny Antoko Vonona Hijoro ho an`ny Tanindrazana (VHT). Nisafidy ny toerana tao amin`ny Telozoro Andrefanambohijanahary izy ireo nanaovany ny fanambarana manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny 21 aprily 2018 izay nitarika faharatrana sy vono olona.

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

25/04/2018

Omaly talata no nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny Immeuble Santa Antanimena ny KMF/CNOE manoloana ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena.

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana 2018 Hanolotra kandida tokana ny « Grand Sud »

29/01/2018

Manomboka mifoha tsikelikely sy manomana ny paikadiny ireo antoko sy mpanao politika mihevitra ny handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018.

 

Hiezaka ny hifanatona sy hitady izay marimaritra iraisana ny avy amin’ny « Grand Sud » na iny faritra Atsimon’i Madagasikara manontolo iny. Tsy misy ny zavatra efa tapaka, saingy re fa mikatsaka ny hanolotra kandida tokana izy ireo. Ny avy ao Fianarantsoa sy ny manodidina azy aloha no hihaona sy hiady hevitra ny volana febroary izao, raha ny loharanom-baovao. Re fa hifanatona sy hampitovy tadin-dokanga ireo sokajiana ho mpanao politika vaventy avy any an-toerana toa an-dry Tantely Andrianarivo (praiminisitra teo aloha), Jean Ravelonarivo (praimininisitra teo aloha), Randriampionona Joseph Martin na Dadafara (Kandida filoha tamin’ny 2013, minisitra teo aloha), Hiary Andrianarivo (Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena), Michel Razafindrandriatsimaniry (Solombavambahoaka teo aloha, ambasadaoro tamin’ny andron-dRavalomanana), Rakoto Jean Pierre (Kandida filoha tamin’ny 2013) … Mihevitra ny hamoaka anaran’olona iray hifaninana ho kandida izy ireo. Hisy avy eo ny fandresen-dahatra ny avy any Toliara avy eo, ka mety handeha ny fifidianana savaronanando na fomba hafa raha toa ka manana olona heverina hatolotra ihany koa ny an-daniny. Ny zava-misy ihany koa anefa, dia tsy dia rototra sy tsy te hiditra amin’izany ireo efa ao anaty fitondrana izay hiezaka mafy hampandany ny kandidan’ny HVM. Ireo no tena olana goavana ao anatin’ity tanjona iombonana ity. Somary olana ihany koa ny avy amin’ireo sokajiana ho mpanohitra sasany, izay efa miaraka amina vondron’antoko ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar), ahitana an-dry Camille Vitale, Hajo Andrianainarivelo, Jean Louis Robinson, izay efa niomana ny hanolotra kandida tokana. Eo ihany koa ireo heverina fa efa zatra sy efa niomana ny handeha irery, toa an-dry Monja Roindefo. Tsy hay na hahomby ity fikatsahana hanolotra kandida tokana avy amin’ny ilany atsimon’i Madagasikara iray manontolo ity na hitsefotra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana