Dans la mme rubrique

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

25/04/2018

Roso ny tolon’ny depiote ho an’ny fanovana ary tsy hanaiky raha tsy miala ny filoham-pirenena. Hirodorodo hanatitra fitoriana mitaky ny fialan’ny filoha eny amin’ny Fitsarana noho ny fandatsahan-dra sy ny fandatsahana aina Malagasy izy ireo sy ny vahoaka anio alarobia.

Filoha nandatsa-dra ny Malagasy Tsy maintsy hesorinay, hoy ny depiote

Hamaky ny tohiny...

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

25/04/2018

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo mpanao politika manoloana ny toe-javatra nampalahelo niseho tetsy Analakely ny sabotsy 21 aprily teo. Nanao fanambarana ny antoko Leader fanilo tarihin-dRabesa Zafera Antoine sy Lalaina Berthnes tetsy Antaninandro omaly talata 24 aprily tetsy Antaninandro.

Antoko Leader Fanilo Tsy azo ekena intsony ny fandatsahan-dra

Hamaky ny tohiny...

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

25/04/2018

Samy miandry izay hiafaran’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny rehetra hoe hanao ahoana ? Nilaza ny tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fitakiana momba ny lalàna mifehy ny fifidianana intsony fa mivoy ny hialan’ny filoha noho ny fandatsahan-dra sy famonoana ny Malagasy ka efa fanjakana mihosin-dra no misy.

Ho resy tosika ny fitondrana Hiverina ny kisarisarin’ny “Panorama 1991”

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

25/04/2018

Tsy fantatra mazava ankehitriny na efa eto an-tanindrazana i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filohantsika na mbola any ampitan-dranomasina.

Voahangy Rajaonarimampianina Mihorohoro ny ho very fihinanana ?

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

25/04/2018

Sesilany ny fanehoan-kevitr’ireo hery velona politika manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny fireneny. Nilaza ihany koa ary ny antoko Teza, tarihin’ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa miditra amina lojikam-pifandonana isika amin’izao fotoana,

Demokrasia eto Madagasikara Fehezina lalàna adaladala, hoy ny Teza

Hamaky ny tohiny...

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

25/04/2018

Nanao antso avo eo anatrehan`ny firenena ny Antoko Vonona Hijoro ho an`ny Tanindrazana (VHT). Nisafidy ny toerana tao amin`ny Telozoro Andrefanambohijanahary izy ireo nanaovany ny fanambarana manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny 21 aprily 2018 izay nitarika faharatrana sy vono olona.

Antoko VHT Tsy tokony hiziriziry intsony ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

25/04/2018

Omaly talata no nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny Immeuble Santa Antanimena ny KMF/CNOE manoloana ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena.

KMF/CNOE Fifidianana anatin’ny fitoniana no vahaolana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Zon’ny olom-pirenena amin’ny fifidianana Maro ny tsy mbola fantatry ny olona akory

29/01/2018

Manamarina ny anarana ao anaty lisitra hatramin’ny 31 janoary ihany hatreto no tena heno sy hita ho miverimberina matetika voizin’ny fitondram-panjakana eny amin’ny haino aman-jery fa na ny tokony hatao eo anelanelan’ny 31 janoary hatramin’ny 15 aprily, izay fotoana hikatonan’io lisitra io aza tsy ampy be dia be ny fanazavana mikasika azy.

 

 Tsy henoheno mihitsy, ohatra, ny voalaza ao amin’ny andininy faha-3 ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana manambara fa ny olom-pirenena rehetra feno 18 taona “amin’ny datin’andron’ny fifidianana” dia manan-jo handatsa-bato rehefa tsy olona voararan’ny lalàna. Toy izany koa ny mikasika ireo vaomiera misahana  ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy voalaza ao amin’ny andininy faha-10 sy faha-13 manambara fa solontena 4 isaky ny vakim-paritra eny amin’ny fokontany sy 2 avy amina fikambanana tsy miankina (ONG na hafa) nahazo alalana manokana hanao fanabeazana olom-pirenena sy hanara-maso no azo tendrena ho vaomiera mpanara-maso. Misy ny fanamarinana anarana azo atao aorian’ny datin’ny 31 janoary satria ny lisi-pifidianana nankatoavin’ny vaomieram-pifidianana eo anivon’ny distrika dia averiny eny anivon’ny fokontany aorian’io daty io mba hatao peta-drindrina eny amin’ny biraom-panjakana na toerana fivorian’olona. Izay nahita ny anarany dia omen’ny vaomiera tapakila fanamarinana izany. Izay voamarina fa tsy tafiditra ao anaty lisitra kosa dia afaka manao fitarainana am-bava na an-tsoratra ao amin’ny biraom-pokontany ary raketina ao anatin’ny rejistra manokana natokana ho amin’izany ny anarany ary atakalo tapakila ihany koa. Hatreto dia ny avy eo anivon’ny komity mpanara-maso ny fiainam-pirenena na ny KMF CNOE sy ny dingana ho amin’ny fampandrosoam-pirenena na DFP ihany aloha izany no heno fa nanana tetikasa hitety faritra hanao fanabeazana momba ny fifidianana saingy raha ny heno dia sahirana eo amin’ny enti-manana izy ireo. Ny KMF CNOE dia tsy henoheno intsony taorian’ireo atrikasa 2 herinandro vitan’izy ireo tamin’ny faran’ny taona 2017. Ny DFP kosa dia mbola ao anaty fitetezam-paritra hatrany saingy sahirana kosa amin’ny fanapariahana ireo kiboky (Prospectus) fampahafantarana izay tokony ho fantatra momba ny tontolom-pifidianana izay.

J. Mirija   

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana