Dans la mme rubrique

Voahangy Rajaonarimampianina Hosamborina ihany koa ?

15/02/2019

Niely ny resaka tany anaty tambajotran-tserasera omaly fa hosamborina i Voahangy Rajaonarimampianina, izay re fa tsy eto an-tanindrazana ka hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena.

Voahangy Rajaonarimampianina Hosamborina ihany koa ?

Hamaky ny tohiny...

Mpamakafaka politika “Efa marary ny vahoaka.”

15/02/2019

Mbola manohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina aho, hoy ny mpamakafaka politika, Moussa Soahily, saingy amin’ny maha olom-pirenena dia zoko ihany koa ny manao tombana ny governemanta ankehitriny.

Mpamakafaka politika “Efa marary ny vahoaka.”

Hamaky ny tohiny...

Anto-bola amin`ny fifidianana depiote Mavesatra ho an`ny antoko sasany

15/02/2019

Miteraka adihevitra taorian`ny famoahan`ny CENI ny tetiandrom-pifidianana ny fampiakarana ny vola alaina amin`ny kandidà ho solombavambahoaka.

Anto-bola amin`ny fifidianana depiote Mavesatra ho an`ny antoko sasany

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Nadoboka eny Tsiafahy

15/02/2019

Naiditra vonjimaika eny amin’ny Fonjan’i Tsiafahy ny mpandraharaha Mbola Joseph Rajaonah, taorian’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny PAC (Poles Anti-Corruption) na ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly etsy 67 Ha omaly tolakandro.

Mbola Rajaonah Nadoboka eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...

Mahafaly Solonandrasana Lasa any Frantsa ?

15/02/2019

Nitohivakana nanomboka ny talata teo ny fisamborana ireo voasaringotra rehetra tanatina raharaha fanondranana harem-pirenena, indrindra ny andramena tao anatin’ny fitondrana tetezamita.

Mahafaly Solonandrasana Lasa any Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

15/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...

Ramanana René Angatahin’ny “FCA Avaradrano” ho kandida depiote

15/02/2019

Mpanao politika avy eny amin’iny faritra Avaradrano iny Atoa Ramanana René. Nangataka ny hiverenany hirotsaka ho kandida depioten’i Madagasikara hofidiana eny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano ny Klioba mpilalao baolina kitra “FCA Avaradrano”.

Ramanana René Angatahin’ny “FCA Avaradrano” ho kandida depiote

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vina politika akaiky fifidianana Santatry ny fitadiavan-tseza

21/02/2018

Saika namoaka boky niraketany izay noheverin’izy ireo ho vinany hatrany ireo filoham-pirenena nandalo teto Madagasikara, indrindra, rehefa akaiky fifidianana tahaka izao. Nanana ny « politikan’ny kibo » ny filoha Philibert Tsiranana raha nitondra tamin’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972.

 

 Ao anaty boky mena misy sori-dalana, hoy ny filoha Didier Ratsiraka, raha nivoy ny repoblika sosialista izay navadibadika ho tonga amin’ilay antsoina hoe « politique de l’humaniste écologiste » ny taona 1996. Nanana ny azy koa ny profesora Zafy Albert ary tsaroana ihany koa ny Madagasikara am-perinasan’ny filoha Marc Ravalomanana rava tao anatin’ny 7 taona. Raha ny zava-nisy teo amin’ny tantara no  halalinina dia saika loharanon’ireo fipoahana krizy teto amin’ny firenena hatrany anefa izy ireny. Saika maro hatrany ireo mpisehatra politika nipoitra tampoka ary nilaza ho nanohana ireny vina ireny saingy ny nahagaga dia korontana sy fanonganam-panjakana hatrany no tohiny avy eo. Hita izany ohatra ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Satria tsy nahazo fahafaham-po tany amin’ireo nilazany ny fanohanany ve ireo mpanao politika efa hatramin’izany dia lasa mpanome vaovao ireo mpifanandrina ? Toa lasa mora amin’ny an-kilany avy eo ny namolavola paikady namotehana ny an-daniny. Raha ny mikasika ireo vina kosa no hiverenana dia saika hevitra nisavoana sy nitondra nofy lalina daholo satria tsy hita izay nahatanterahana azy fa toa santatry ny fitadiavan-tsezan’ireo mpanao politika rehefa akaiky fifidianana tahaka izao hatrany. Anisan’ny nanaitra, ohatra, ny fanambaran’ny filohan’ny fikambanana politika, Asandratro ny tanindrazako, Andrianina Rajoharison, ny fanohanany sahady ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ilay vina IEM ny alahady teo. Hita ho isan’ny vina tsy nahoraka kosa anefa na izany aza ny an’ny antoko ADN, tarihin’ny filohany Edgard Razafindravahy tamin’ny taona 2017 izay nampitondrainy ny anarana hoe “Misia mazava”.


J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana