Dans la mme rubrique

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

21/08/2018

Kandidà faha-20 nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny, omaly tetsy amin`ny HCC Ambohidahy i José Michel Andrianoelison na « José kely ».

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

Hamaky ny tohiny...

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

21/08/2018

Nanasa ireo mpiara-dia aminy rehetra eo anivon’ny fivoizana ny atao hoe fanorenana ifotony tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN sy ny antoko Kintana tarihin’ny filohany Tabera Randriamanantsoa.

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

21/08/2018

Nanaitra ny nitsanganan’ny vovonana politika “Voromahery” izay vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

21/08/2018

Efa ho herinandro izao no nifamoivoy ny vaovao fa ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay efa mananika ny faha 82 taonany amin’izao fotoana.

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

21/08/2018

Taorian'ny fahatontosana ny fandrotsahana ny dosie filatsahan-kofidiana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny sabotsy 18 aogositra teo sy ny fanambarana ofisialy ny fahavitan’izany tany Toamasina

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

21/08/2018

Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly i Dadafara na Joseph Martin Randriamampionona,

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

21/08/2018

Somary nanaitra ny fahitana an-dRadavidson Benjamin Andriamparany tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha satria tsy anisan’ireo nanao fanambarana ampahibemaso.

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Diplaomasia Miha ratsy ny fifandraisana amin’ny Amerikanina

13/03/2018

Tsy nankasitraka ny fampijaliana ireo ombin’ny orinasa AAA-Tiko tany Andranomanelatra, nidiana sy nobahanana ny vavahady hahafaha-mitondra ny sakafony, ka efa nahafatesana 2 ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.

 Tsy misy hidiran’ny omby ny resaka raharaha AAA-Tiko, ka hanaovana sorona ny biby tsy manan-tsiny, hoy ny Amerikanina. Tsy niandry ela ny fanjakana fa namoha tsy fidiny avy hatrany ny vavahady rehefa nivoaka ny fanambaran’ny bekintana, kanefa niziriziry sy nandrirarira mafy satria in-droa nisesy no nahemotra ny fitsarana ady maika ny 7 martsa sy ny 9 martsa, ka omaly ny daty nomena. Mbola namoaka fanambarana naneho ny fankasitrahana tamin’ny famahana ny olana ny Masoivohon’i Etazonia Robert Yamate omaly. Tsy levon’ny vavonin’ny fanjakana iny fanambarana iny, ka nampanantsoina teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Masoivohon’i Etazonia Robert Yamate omaly. Fomba fanao eo amin’ny lafiny diplomatika ireny, ary isika dia manana fiandrianam-pirenentsika, ka misy ny fitsipika avy amin’ny fifanarahan’i Vienne, hoy kosa ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka nandritra ny fankalazana ny fahaleovantenan’I Maorisy teny amin’ny Hotely Carlton.  Fifanarahana natao ny 18 aprily 1961 tany Vienne Autriche mifototra amin’ny fanajana ny fiandrianan’ny firenena iray sy ny tsy fitsabahan’ny masoivoho vahiny amin’izany ny “convention de Vienne”, raha hazavaina tsotsotra. Manahirana ihany raha atao hoe solontena na masoivohona firenena lehibe namana no handeha hitsara, ohatra, ny fitsarana Malagasy, hoy izy. Zavatra manahirana be izany, ka rehefa misy ny zavatra hifampiresahana amin’ny resaka fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny ny raharaham-bahiny no mifampiresaka dia nifanazava teo izahay. Izy moa niteny hoe fa vita iny, ary nametraka ny fianlan-tsiny izy fa tsy tokony ho ohatran’iny no hanaovana azy, hoy hatrany i Henry Rabary-Njaka. Isika miaro foana ny fiandrianana, ary ny fiandrianan’ny firenena fitsarana Malagasy no narovana tamin’iny zavatra iny, raha ny nambaran’ity minisitra ity. Sahy hiverina amin’ny fanapahan-kevitra efa nataony ary ve izany ny fanjakana ? Ny fangatahana tany amin’ny fitsarana hamahana ny vavahady aza mantsy nahemotra foana fa tsy nekena. Inona izany no antony nanekena ny famahana izany raha vao nivoaka iny fanambaran’ny Amerikanina iny raha tena nitazona ny teny nomena sy miaro ny ambara fiandrianan’ny Fitsarana tokoa ny mpitondra ? Raha hijery ny raharaha hafa isika, dia nahoana no  tsy sahy nampiantso ny masoivoho Frantsay hitondra fanazavana momba ny tsy nisamborany an’i Houcine Arfa hatramin’izao ny fanjakana HVM ? 


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana