Dans la męme rubrique

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

21/08/2018

Kandidà faha-20 nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny, omaly tetsy amin`ny HCC Ambohidahy i José Michel Andrianoelison na « José kely ».

José Michel Andrianoelison “Mila mpitondra mihaino ny vahoana isika”

Hamaky ny tohiny...

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

21/08/2018

Nanasa ireo mpiara-dia aminy rehetra eo anivon’ny fivoizana ny atao hoe fanorenana ifotony tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN sy ny antoko Kintana tarihin’ny filohany Tabera Randriamanantsoa.

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

21/08/2018

Nanaitra ny nitsanganan’ny vovonana politika “Voromahery” izay vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

21/08/2018

Efa ho herinandro izao no nifamoivoy ny vaovao fa ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay efa mananika ny faha 82 taonany amin’izao fotoana.

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

21/08/2018

Taorian'ny fahatontosana ny fandrotsahana ny dosie filatsahan-kofidiana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny sabotsy 18 aogositra teo sy ny fanambarana ofisialy ny fahavitan’izany tany Toamasina

Marc Ravalomanana Hamory vahoaka eny Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

21/08/2018

Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly i Dadafara na Joseph Martin Randriamampionona,

Kandida Dadafara Namaky bantsilana ny teti-dratsin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

21/08/2018

Somary nanaitra ny fahitana an-dRadavidson Benjamin Andriamparany tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha satria tsy anisan’ireo nanao fanambarana ampahibemaso.

Radavidson Andriamparany Tsy nampoizina ny maha kandida azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Patrick Raharimanana Hampanantsoin’ny zandary anio

13/03/2018

Nahazo fampiantsoana ho eny amin'ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary i Patrick Raharimanana anio talata 13 martsa 2018 amin'ny 8 ora maraina.

Tsy fantatra mazava izay tena antony fa tombanana ho resaka fanapariaham-baovao manelingelina manampahefana na mpitondra ambony. Rehefa miady ho fanoherana ny kolikoly sy ny mitaky ny fahaleovantenam-pirenena dia tsy maintsy miomana amin'izany, hoy izy omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky, ka ho avy izy anio. Ny lehiben’ny fonjan’i Tsiafahy, Zafilahy Vonjy Stéphanson no nanao fanambarana ny 01 martsa teo, fa hitory an’i Patrick Raharimanana noho ny nanapariahan’ity farany ny horonam-peo navoakan’i Houcine Arfa milaza, fa nandoa  4 tapitrisa ariary tamin’ny lehiben’ny fonja izy. Tsy fantatra aloha na io no antom-piantsoana azy na zavatra hafa mihitsy. Nambaran’ny lehiben’ny fonja fa “montage” tanteraka satria ny feo tsy azy, be dia be ny zavatra ao anatiny tsy izy, hoy izy. Nitory an’i Patrick Raharimanana ny tenany, ary nangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina na “expertise”, ary nanizingizina fa “Montage” na feo sy horonam-peo natambatambatra ilay naparitaka. Namoaka sary maromaro mikasika ny fitsidihan’ny vadin’i Houcine Arfa tao am-ponja indray anefa i Patrick Raharimanana taorian’ny fanambaran’ny lehiben’ny fonja. Anisan’izany ny sary maneho fa navoaka teo an-tokotany i Houcine Arfa fa tsy tamin’ny toerana natao hifampiresahan’ny gadra sy ny mpamangy na ny “parloire” ny tenany. Andrasana izay ho akom-baovao momba ity fampiantsoana an’i Patrick Raharimanana anio ity.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana