Dans la mme rubrique

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

16/11/2018

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Marc Tatandraza rehefa reraka niafina sy nanao sary maty ary niseho tamin’ny tambajotra facebook naneho fa manohana an’i Andry Rajoelina.

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

Hamaky ny tohiny...

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

16/11/2018

Betsaka ireo tata-drano tsy misarona intsony eto an-drenivohitra nefa antonona olona iray ny habeny.

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

Hamaky ny tohiny...

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

16/11/2018

Hifarana anio zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay “Salon des études supérieures” andiany faha-15, karakarain’ny Madajeune.

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

16/11/2018

Mitohy ny fahatrarana ireo mpanao trafikana sokatra na vao ny 25 oktobra teo aza no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ireo nahatrarana sokatra 10 196 tao Betsinjaka Toliara tamin'ny 9 aprily.

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

Hamaky ny tohiny...

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

14/11/2018

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro omaly talata 13 novambra ny sambo goavana na “paquebot” Europa 2, mitondra mpizahatany maro be.

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

Hamaky ny tohiny...

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

14/11/2018

Nikorontana ny teny Analakely manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo sy ny manodidina omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora.

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

14/11/2018

Lehilahy iray teratany vahiny, lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa afaka haba OCM nirehitra ny alatsinainy alina teo no fantatra fa namoy ny ainy noho ny hasemporana nahazo azy.

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Orinasa Fanalamanga Ara-dalàna tsara ny fanadihadiana ataonay, hoy ny Bianco

14/06/2018

Manao fanamarihana ny Bianco fa manao fanadihadiana mahakasika raharaha kolikoly tokoa any amin’ny orinasa Fanalamanga –Moramanga amin’izao fotoana ary olona mihoatra ny folo no efa noraisina am-bavany tamin’izany.

 

Tsy ho ela dia hoentina hotolotra ny fitsarana mahefa ireo olona rehetra voarohirohy araka ny fomba fiasan’ny Bianco hatramin’izay. Aoka hazava tsara ny resaka, hoy ry zareo avy ao amin’ny Bianco fa miasa araka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy azy ireo mpanao fanadihadiana ary diso tanteraka ny filazana fa manao fihetsika mampiahiahy izy ireo. Noho ny fahalaviran’ny toerana misy ilay orinasa nisian’ny fandihadihana sy ny maha mpamita iraka ireo mpanao fanadihadihana  ireo dia natao teo an-toerana toy ny fanao mahazatra ny fakana am-bavany ireo olona rehetra voarohirohy, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina  anefa fa tsy natory tao amin’ny toerana nanaovana ny fakana am-bavany ireo mpanao fanadihadihan’ny Bianco fa kosa tao amin’ny   MADAHOTEL tao Antsirinala – Moramanga ihany. Tsy fivoriana, araka izany, no nataon’ny mpanao fanadihadihana fa fakana am-bavany tsirairay ireo olona voakasika amin’ny raharaha. Marihana ihany koa, hoy ry zareo avy ao amin’ny Bianco fa ny fanadihadiana ataon’ny Birao ao anatin’ny fampiharana tanteraka ny lalàna velona sy ny fanajana ny zon’ny fiarovana dia tsy mahasakana ny resaka an-jorony fandemen-tsaina sy famendrofendroana ataon’ny olona ahiahiana na ny mpitory. Tsy misy akony amin’ny fanadihadiana ataon’ny Bianco mihitsy izany endrika fanelingelenana sy fanelezana tsaho izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy ao amin’ny sampana seraseran’ny Bianco.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana