Dans la męme rubrique

HIFARANA RAHAMPITSO

20/08/2018

Hifarana rahampitso ny fe-potoana ahafahan’ireo mitetika ho kandida ho filoham-pirenena mametraka ny dosie maha kandida azy ireo.

HIFARANA RAHAMPITSO

Hamaky ny tohiny...

RANGAHY HITA FATY

20/08/2018

Rangahy iray tokony ho 70 taona eo ho eo no hita natsingevan'ny omaly maraina teny Anosivavaka Ambohimanarina. Tsy misy olona mahafantatra azy ety amin'ny manodidina ary tsy fantatra fianakaviana.

RANGAHY HITA FATY

Hamaky ny tohiny...

FANARATSIANA

18/08/2018

Tandremo ny resaka fanaratsiana, fa tsy voatery izay no ho marina, hoy i Onitiana Realy manoloana ny kiana fanaratsiana sesilany natao tamin-dRajaonarimampianina hatrizay.

FANARATSIANA

Hamaky ny tohiny...

VAKINIADIANA

18/08/2018

Hamory ny fileovana rehetra mahatratra 60 milalao ao aminy, eny amin’ny kianja Malacam Antanimena amin’ny volana septambra hitsidika io ny

VAKINIADIANA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMPITIFIRANA TANY BELO TSIRIBIHINA

17/08/2018

Eo ambany mason’ny mpizahatany mihitsy no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy.

FIFAMPITIFIRANA TANY BELO TSIRIBIHINA

Hamaky ny tohiny...

ARETHA FRANKLIN

17/08/2018

Araka ny vaovao nampitain’ny « agence Associated Press » any Etazonia dia nodimandry omaly alakamisy 16 aogositra,

ARETHA FRANKLIN

Hamaky ny tohiny...

ZES

14/08/2018

Nankatoavin’ny HCC ihany ny lalàna momba ny ZES na ny faritra ara-toekarena manokana, lalàna izay niadivan’ny mpitolona teny amin’ny 13 mey mafy ny hanafoanana azy.

ZES

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

VOTSOTRA ILAY TERATANY KARANA

04/07/2018

Votsotra omaly tamin'ny enina ora maraina ilay karĂ na antsoina hoe Nizhar Pirbay. Salama tsara izy saingy tsy fantatra kosa izay vola naloany tamin'ity famotsorana ity. Notazomina nandritry ny 25 andro izy raha hiverenana kely


 

FANDAMINANA IREO MINISITERA

 

Hatramin’izao dia mbola ny fandaminana anatiny ihany no ataon’ny minisitera maro ka anaovany  tatitra eo anivon’ny filankevitry ny governemanta. Ny sasany aza dia mbola ady boaty no misy eo anivon’ny kabinetran’ny minisitra satria samy mba te-hahazo fahefana avokoa. Tsy dia misy azo andrandraina ity governemanta Ntsay ity izay tsy misy teknisiana amin’ny minisitera tantaniny avokoa ny 80% amin’ireo minisitra napetraka.

FANIMBAZIMBANA FIANGONANA

 

Nidiran’ny olon-dratsy ny Eglizy Katolika Notre Dame de Mont Carmel ao Moramanga ary nogafian’izy ireo ny sary masina sy ny tabernakla ary ny fanaovan’ny mpitarika fivavahana ny fomba kristianina Katolika. Tsy nisy na inona na inona nalain’ireo olon-dratsy anefa fa dia fanimbàna ny zavatra tao anatin’ny fiangonana fotsiny no nitranga. Hatramin’ny sarin’i Jesoa Kristy aza dia novakian’ireo ary natsirarany tamin’ny tany. Fanivaivàna ny finoana kristiana no nitranga ary efa misy fanadihadiana misokatra ankehitriny.

MIHOROHORO NY MPONIN’I MALAIMBANDY

 

Ao anatin’ny horohoro tanteraka ny mponin’i Malaimbandy, tsy noho ny asan-dahalo intsony fa noho ny kidnapping indray. Nisy fianakaviana iray nalain’ireo olon-dratsy ary rehefa avy eo dia ny raim-pianakaviana ihany no navotsotra ary noterena hitady vola mitentina 7 tapitrisa ariary mba hamotsorana ny vady aman-janany. Misesy ao an-toerana ny fakàna an-keriny ary hatramin’ny zandary aza nisy fotoana efa nalain’ireo jiolahy koa ka nangalana volabe vao votsotra.

ADY FANANANA

 

Nahodin’ilay vehivavy sipany ny fananany. Hiakatra fitsarana anio ny raharaha etsy Anosy. Raha ny fantatra dia nifankatia izy roa kinanjo ilay vehivavy mbola misy miaraka aminy ary lehilahy manamboninahitra izany. Teo no nitranga ny olana satria ny fiaran’ilay lehilahy dia efa namidin-dramatoa ary nanaovany taratasy sandoka. Nitory ilay rangahy saingy lefy hatrany izany noho ny fisian’ilay manamboninahitra aoriana.

DEPIOTE HANITRA

 

Nitondra fanampiana ho an’ireo may trano tetsy Manarintsoa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly, amin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany. Nitondra ny voatsirambin'ny tanana ho an'ireo traboina noho izany ny tenany. Henoko ny voina nahazo anareo ka tsy tafandry aho fa nitondra ireto fanampiana ilaina maika, hoy izy

 

TSY FILAMINANA ANY AMBANIVOHITRA

 

Mandeha ny lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy ny amin’ny hatezeran’ireo mponina any ambanivolo  noho ny afitsoky ny dahalo kanefa tsy misy valiny mahafa-po avy amin’ny fanjakana. Ny isan’ny tena nampitroatra ny olona dia ny fisian’ny olona fito izay maty noho ny tifitra variraraka tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sakay, ao Ilakamavony. Milaza ireo olona ny hanapaka ny lalam-pirenena raha tsy mirotsaka any amin’ny faritra mena ny mpitandro ny filaminana.

MISISIKA MANAMPY TRABOINA

 

Nihazakazaka indray ny minisitra maromaro teo anivon’ny governemanta Ntsay nijery ny niharam-boina tamin’ilay hain-trano goavana tetsy Manarintsoa-Isotry. Raha ny marina dia izay sisa no mba hisehosehoan’ireo manampahefana satria any amin’ny asa andavanandro dia efa tena takona tanteraka noho ny tsy fisian’ny vokatra handrasan’ny vahoaka. Any amin’ny fanampiana kely isan-karazany ho an’ny olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana na doro trano sisa no hihazakazahan’ny minisitra ankehitriny mba hahitana azy ireo amin’ny haino aman-jery amin’izao ankatoky ny propagandy izao.

ADOLANTSENTO NANGALA-BOLA

 

Adolantsento miisa telo, 16 taona no lehibe indrindra no nangalatra vola tao anaty sakaosy etsy Mahamasina. Mitentina telo tapitrisa ariary izany ary mbola nisy solosaina iray koa. Nokarohin’ny polisy hatramin’ny marain’andro izy ireo vao hita. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia efa notazomina teny amin’ny fonjan’ny ankizy ireo adolantsento ireo ary vao nivoaka teny aza. Midika izany fa tsy ahoan’ireo intsony izay fitazomana fa raisiny ho toy ny fialan-tsasatra.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana