Politique
Ravalomanana sy ny KMMR Vonona amin’ny fifidianana
11/07/2018
Efa volana maromaro no niasa sy nandamina ny fomba hijoroany ny KMMR (Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana, izay nanazava hatrany ny antony tsy maintsy itokisana fa mila mirotsaka ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny filohany Raveloson Jean Constant.
Izao dia azo ny resaka fahalalahan’ny firotsahany rehetra, ary efa an-dalana ny haino aman-jery. Izy tenany ihany koa, dia niaraha-nahita fa natao andrimaso sy nogafiana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana hanao antsojay. Ny TIM tamin’ny herintaona ohatr’izao, ohatra, dia tsiahivina fa ohatran’ny tany miady mihitsy no nanaovana azy raha saika hankalaza ny faha-15 taonany. Nisy ny fampiasan’ny mpitondra fahefana tsy ara-drariny, hoy ny fanazavan’i Constant Raveloson an’io. Amin’izao, dia iny niaraha-nahita iny fa nifarana ny tolon’ny 13 mey izay notarihin’ny Depiote TIM, ary nanotrona sy nanampy ny mpikatroka KMMR izay tsy voatery ho TIM. Ny fifidianana efa mandeha, ary ny anay io dia zavatra efa niomanana, hoy hatrany ny Filohan’ny KMMR. Ny lalàna fototra hanaovana ny hoe fifidianana, dia tsy afa-po, hoy izy. Sady mitolona amin’izao no manao izay handresena amin’ny fifidianana, ary manohy ny tolona izay tsy vita faobe teny amin’ny 13 mey. Isan’ireny ny governemanta misolo, izay fantatra fa nanao ny tsy ara-dalàna ny sasany, ary mbola misy ny minisitra sady “coach” na mpandrindra ny HVM, ka ireny dia tenenina foana tsy an-kijanona, hoy izy. Ny mpitondra ny faritra, distrika, dia fantatra be ny fametrahana azy ary nisy nihazakazahana mba hampahomby ny paikadin’ny HVM. Ny naha izy azy ny tolona dia ny resaka lalàm-pifidianana sy fandravana ny dahalom-pifidianana, izay hangalatra. Niakatra teo ihany koa ny fitakian’ny mpiasam-panjakana na ny sendika. Nisy ny fitakiana vola sy tombontsoa ary zo isan-karazany. Misy ny efa voasoratra fa tsy tanteraka aminy, misy ny mitaky ny zo heveriny fa rariny izay mbola tsy voasoratra,…Ny mahatonga ny mpiasa hanao an’io dia manjaka ny kolikoly, ary io resaka kolikoly io ihany koa no nahatonga ny 13 mey, hoy hatrany ny filohan’ny KMMR 2018.
Toky R