Dans la męme rubrique

Voahangy Rajaonarimampianina Hosamborina ihany koa ?

15/02/2019

Niely ny resaka tany anaty tambajotran-tserasera omaly fa hosamborina i Voahangy Rajaonarimampianina, izay re fa tsy eto an-tanindrazana ka hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena.

Voahangy Rajaonarimampianina Hosamborina ihany koa ?

Hamaky ny tohiny...

Mpamakafaka politika “Efa marary ny vahoaka.”

15/02/2019

Mbola manohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina aho, hoy ny mpamakafaka politika, Moussa Soahily, saingy amin’ny maha olom-pirenena dia zoko ihany koa ny manao tombana ny governemanta ankehitriny.

Mpamakafaka politika “Efa marary ny vahoaka.”

Hamaky ny tohiny...

Anto-bola amin`ny fifidianana depiote Mavesatra ho an`ny antoko sasany

15/02/2019

Miteraka adihevitra taorian`ny famoahan`ny CENI ny tetiandrom-pifidianana ny fampiakarana ny vola alaina amin`ny kandidĂ  ho solombavambahoaka.

Anto-bola amin`ny fifidianana depiote Mavesatra ho an`ny antoko sasany

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Nadoboka eny Tsiafahy

15/02/2019

Naiditra vonjimaika eny amin’ny Fonjan’i Tsiafahy ny mpandraharaha Mbola Joseph Rajaonah, taorian’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny PAC (Poles Anti-Corruption) na ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly etsy 67 Ha omaly tolakandro.

Mbola Rajaonah Nadoboka eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...

Mahafaly Solonandrasana Lasa any Frantsa ?

15/02/2019

Nitohivakana nanomboka ny talata teo ny fisamborana ireo voasaringotra rehetra tanatina raharaha fanondranana harem-pirenena, indrindra ny andramena tao anatin’ny fitondrana tetezamita.

Mahafaly Solonandrasana Lasa any Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

15/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...

Ramanana René Angatahin’ny “FCA Avaradrano” ho kandida depiote

15/02/2019

Mpanao politika avy eny amin’iny faritra Avaradrano iny Atoa Ramanana René. Nangataka ny hiverenany hirotsaka ho kandida depioten’i Madagasikara hofidiana eny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano ny Klioba mpilalao baolina kitra “FCA Avaradrano”.

Ramanana René Angatahin’ny “FCA Avaradrano” ho kandida depiote

Hamaky ny tohiny...


Politique

CENI Madagascar Miroso amin`ny fanomezana toromarika

11/07/2018

Hifantoka manokana eo amin`ny fomba hanentanana an`ireo olom-pirenena handray anjara mavitrika amin`ny fifidianana ny fampiofanana ataon`ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), izay vatsian`ireo mpiara-miombon`antoka amin`i Madagasikara vola. Hifantoka amin`ny fampahafantarana an`ireo andininy mamaritra ireo fepetra hifehy ny fifidianana hatao eto amintsika ny andro farany amin`ity fampiofanana ity.

 

Nambaran`ny Filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana, nandritra ny lanonam-panokafana ny atrikasa fanofanana ho an’ireo mpanabe sy mpanentana ara-pifidianana manerana ireo distrika 119, fa zava-dehibe loatra eo amin’ny fampivoarana sy ny fitantanana ny zotram- pifidianana, fanaikana sy ny fitaizana ny mpifidy, indrindra manodidina ny fisoratana ao anatin’ny lisi-pifidianana, sy ny fandehanana mandatsa-bato.Tanjona ny hahafahan`ireo mpisehatra eo amin`ny fifidianana hitondra ny fitarainana na fitoriana momba izay mety ho lesoka amin`ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Notsindriny rahateo fa nahitana fitomboana ny taham-pisoratan’ny vehivavy sy ny tanora ao anatin’ny lisim-pifidianana amin’izao fotoana izao. Noho izany, tsy ilaina intsony ny mandresy lahatra ny maha zava- dehibe ity atrikasa ity mba hananatsika olona hanana trai-kefa eo amin’ny fanaikana sy fitaizana ny mpifidy mba hanentana azy ireo handray ny adidiny eto amin’ny btany sy ny firenena.  Nanomboka omaly tetsy amin`ny “Motel”, izay tsy hifarana raha tsy amin`ny alakamisy ho avy izao, ny fanofanana an`ireo mpiasan`ny CENI eo anivon`ireo rantsa-mangaikany sy ireo mpikambana eo anivon`ny fiarahamonim-pirenena, manerana ireo faritany enina sy ireo 119 distrika eto Madagasikara.


Toy izao ny fandaharam-potoana any amin`ny faritany :

·         Toamasina : 17, 18 ary 19 jolay 2018

·         Toliara: 24, 25 ary 26 jolay 2018

·         Fianarantsoa : 31 jolay hatramin`ny 2 aogositra 2018

·         Antsiranana : 7, 8 ary 9 aogositra 2018

·         Mahajanga: 21, 22 ary 23 aogositra 2018

 

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana