Dans la mme rubrique

CENI Madagascar “Tsy nitanila izany izahay”

19/11/2018

Navoakan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny sabotsy 17 novambra 2018 teo teny amin’ny foibeny Alarobia ny voka-pifidianana vonjimaika mifandraika amin’ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny alarobia 7 novambra 2018.

CENI Madagascar “Tsy nitanila izany izahay”

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana ho Filohan’ny Malagasy Misokatra amin’ny rehetra hatrany

19/11/2018

Nahazo salan’isa 35, 29% ny kandida Marc Ravalomanana. Io no vokatra vonjimaika navoakan'ny Ceni Madagascar. Isaorana isika vahoaka nametraka fitokisana tamin'i Dada, hoy ny hafatra nataony.

Ravalomanana ho Filohan’ny Malagasy Misokatra amin’ny rehetra hatrany

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Malagasy 4,9 tapitrisa mahery no tsy nifidy

19/11/2018

Miisa 5 367 871 amin’ny 9 898 544 no tonga nifidy izay manome 54,23% raha ny antontanisa navoakan’ny CENI tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika nomena ny HCC.

Fifidianana filoham-pirenena Malagasy 4,9 tapitrisa mahery no tsy nifidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana hafakely Be ireo kandida resin’ny vato fotsy sy maty

19/11/2018

Efa nolazaina fa tsy hanam-paharoa tamin’izay nitranga teto ambonin’ny tany ity fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara indray mitoraka ity.

Fifidianana hafakely Be ireo kandida resin’ny vato fotsy sy maty

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodinana faharoa hampangitakitaka

19/11/2018

Hifampitady any anaty fifidianana filoha fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina raha tsy misy ny fiovana goavana amin’ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC taorian’ny an’ny CENI.

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodinana faharoa hampangitakitaka

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Mitaky ny fanafoanana ny fifidianana

19/11/2018

Nisy ny tatitra nataon`ny antoko HVM mahakasika ny taratasy fitorian`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny tsy nety nataony tetsy amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny sabotsy lasa teo.

Antoko HVM Mitaky ny fanafoanana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Mila mitandrina ny rehetra”

19/11/2018

Fifidianana efa nandrasan`ny Malagasy an-taonany maro ity fihodinana faharoa ity izay hifanandrinan`i Marc Ravalomanana sy i Andry Nirina Rajoelina.

Imbiky Herilaza “Mila mitandrina ny rehetra”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpanao politika sasany Tsy mipoitra raha tsy krizy

12/07/2018

Nangingina izy ireo tato ho ato ary sarotra ny hino fa fifanandrifian-javatra ny fifanojoan’izany tamin’ny fiafaran’ny tolon’ny fanovana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.

 Ireo mpanao politika sasany izay tsy mipoitra raha tsy anaty vanim-potoanan’ny krizy na mandindona krizy no tian-kambara. Izay tokoa angaha no tonga amin’ilay fitenenana hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra satria dia mbola hita ho tsy miova ihany hatramin’izao ny fomba amam-panaon’izy ireny. Maneho hevitra etsy sy eroa mody mandamina sy manolotra vahaolana. Rehefa tena zohiana anefa ny fikaonan-doha izay tarihina sy karakarain’izy ireo dia vao mainka mitondra ho any amin’ny korontana ary fitadiavan-tseza no tena imasoany. Tsy olom-baovao ihany izy ireny amin’ny ankapobeny fa efa teo foana saingy tsy nety naharesy lahatra ny maro. Ny ronono an-tavy entiny ve no vakiana fotsiny araka ny fitenin-jatovo sa ilay loha maha mpitarika azy ireo mihitsy no tsy mety tazana eny aminy ? Anjaran’izy ireny no mandini-tena sy mijery izay tena tokony hataony amin’ny firenena amin’izay.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana