Dans la męme rubrique

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

16/11/2018

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Marc Tatandraza rehefa reraka niafina sy nanao sary maty ary niseho tamin’ny tambajotra facebook naneho fa manohana an’i Andry Rajoelina.

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga

Hamaky ny tohiny...

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

16/11/2018

Betsaka ireo tata-drano tsy misarona intsony eto an-drenivohitra nefa antonona olona iray ny habeny.

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako

Hamaky ny tohiny...

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

16/11/2018

Hifarana anio zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay “Salon des études supérieures” andiany faha-15, karakarain’ny Madajeune.

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

16/11/2018

Mitohy ny fahatrarana ireo mpanao trafikana sokatra na vao ny 25 oktobra teo aza no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ireo nahatrarana sokatra 10 196 tao Betsinjaka Toliara tamin'ny 9 aprily.

Mirongatra ny trafikana sokatra Efa nahatratra 19 000 ireo sarona

Hamaky ny tohiny...

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

14/11/2018

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro omaly talata 13 novambra ny sambo goavana na “paquebot” Europa 2, mitondra mpizahatany maro be.

Sambo goavana Europa 2 Nandalo tao Tolagnaro

Hamaky ny tohiny...

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

14/11/2018

Nikorontana ny teny Analakely manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo sy ny manodidina omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora.

Sahotaka teny Analakely Baoritra roa, noheverina fa nisy baomba

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

14/11/2018

Lehilahy iray teratany vahiny, lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa afaka haba OCM nirehitra ny alatsinainy alina teo no fantatra fa namoy ny ainy noho ny hasemporana nahazo azy.

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Firongatry ny kolikoly Very 250 miliara ariary isan-taona ny fanjakana

12/07/2018

 

Tany Toamasina nandritra ny fanasoniavana ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpitantana ny Spat sy ny tale jeneralin’ny Bianco no nahafantarana fa be loatra ny vola very eto amintsika isan-taona noho ny kolikoly sy ny tsy fahaizana mitantan’ny fanjakana, satria mahatratra 250 miliara ariary be izao izay efa hahavitana manamboatra lalana voarakotra tara mirefy 1250 km. Lasa eny am-pelatanan’olom-bitsy fotsiny io vola be io. Hita amin’ny sehatra rehetra eto Madagasikara ny kolikoly ary na dia misy asa ny lalana sy rafitra miady aminy eto dia nitombo ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara tato anatin’ny roa taona izao. Ho an’ny Spat kosa dia fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny kolikoly ity sonia vita teo amin’ny Bianco nosoloin’ny tale jeneraliny tena Atoa Andriamifidy Jean Louis sy ny tale jeneralin’ny Spat Atoa Avellin Christian Eddy.  Efa naneho ny fangaraharahana hatrany izy ireo hatramin’izay ka mila tohizana mba hifanomezan’izy ireo toky amin’ny mpiara-miombona antoka aminy fa manaja tanteraka ny lalàna velona ny Spat. Misy lamina sy fe-potoana arahana ao anatin’ny drafitrasan’ny Spat entina miady amin’ny kolikoly izay manomboka izao hatramin’ny taona 2025, fotoana hisian’ny asa goavana amin’ny fanitarana ny seranana iarahan’ny Spat amin’ny Jica ny drafitra napetraka. Ho an’ny Bianco dia miditra amin’ny dingana faharoa ny fametrahana rafitra izy ireo izao, ka hatramin’ny taona 2019 dia ny fametrahana ny rafitra sy ny fampanarahana ny lalàna no tanjon’izy ireo, izay raha teo no antony nametrahana ny PAC na “Pole Anti-Corruption” eto Antananarivo farany teo, ary hapetraka tsy ho ela koa ny any Toamasina sy ny faritra efatra ambiny. Ankoatra izay dia ny taona 2020 hatramin’ny taona 2025 kosa no hiditra amin’ny dingana fahatelo ny Bianco, ka ity no antsoin’izy ireo hoe “dingan’ny tsotsorimamba hisarahana” amin’ny fampiharana tsy misy fepetra ny lalàna momba ny kolikoly. Mitaky finiavana feno amin’ny fanjakana izany satria anisan’ny tena tsara aty afrika ny lalàna miady amin’ny kolikoly Malagasy, nefa raha ny vokatra dia resin’ireo firenena afrikanina maro i Madagasikara.


Rakoutou

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana