Dans la mme rubrique

Mariazy nivadika ho zava-doza 1 no maty, 70 mahery voapoizina

15/04/2019

Fety no nankalazaina kinanjo tsy fahasalamana faobe sy fandevenana no natrehina. Voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo koa ireo mpivady vao, niaraka tamin’ireo mpangataka sy fianakavian’ny tovovavy.

Mariazy nivadika ho zava-doza 1 no maty, 70 mahery voapoizina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny varotra fanafody eny amoron-dalana Adidin’ny rehetra, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana

15/04/2019

Mirongatra hatrany ny varotra fanafody tsy ara-dalàna eny amoron-dalana eto amintsika. Anisan’ny tena malaza ary toerana fandehanan’ireo marary mila fanafody na mitsabo tena maharitra ny eny Ambohipo ka raha vantany vao mandalo ny olona iray dia efa misy manontany.

Ady amin’ny varotra fanafody eny amoron-dalana Adidin’ny rehetra, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

FLM Atsimo Atsinanana Katekista an’arivony atao mpikambana CNaPS

15/04/2019

Mpitondra fiangonana (FLM) manodidina ny 200 avy amin’ny fileovana 33 ao anatin’ny synodam-paritany Atsimo Atsinanana no nahazo fiofanana avy amin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (na CNaPS) tao amin’ny FLM Fiadanana Farafangana, nandritra ny telo andro.

FLM Atsimo Atsinanana Katekista an’arivony atao mpikambana CNaPS

Hamaky ny tohiny...

Tsy voafehy intsony i Maroantsetra Vaky indray ny fonja

11/04/2019

Tsy milamina akory ny raharaha momba ny gidragidra nahafaty olona roa noho ny savorovoron’ny vahoaka sy ny polisy, niampy fahamaizana trano miisa 22 ny takarivan’ny sabotsy 6 aprily teo,

Tsy voafehy intsony i Maroantsetra Vaky indray ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny mpitsara Raikitra koa ny gidragidra…

11/04/2019

Tsikaritra ny ady mangatsiaka eo amin’ny fanjakana sy ny mpitsara amin’izao fotoana izao, ary manomboka vaky ambatolampy.

Fanjakana sy ny mpitsara Raikitra koa ny gidragidra…

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny fananan-tany Hiasa sady hitolona

11/04/2019

Nanova paikady hahafahana mangataka ny famoahana ny tale jeneraliny nampidirina am-ponja vonjimaika ireo mpiasan’ny fananan-tany rehetra etsy Anosy.

Mpiasan’ny fananan-tany Hiasa sady hitolona

Hamaky ny tohiny...

Trano miorina etsy Anosy Nandefa taratasy fitarainana ireo mpivarotra voninkazo

11/04/2019

Tafiditra ao anatin’ny tsenan’Ambohijatovo ny tsenam-boninkazo etsy Anosy. Nanana olana anefa ireo mpivarotra ao an-toerana nanomboka ny 23 martsa alina lasa teo.

Trano miorina etsy Anosy Nandefa taratasy fitarainana ireo mpivarotra voninkazo

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanakorontanana Misy hanakarama milisy…

14/09/2018

Tsy maniry loza fa manangasanga any ny karazana gidragidra eto amin’ny firenena. Miakatra ny maripana politika ary mandeha ny karazana don-tandroka avy amin’ireo kandida filoha, indrindra fa ireo sokajiana ho vaventy.

 

 

 

 Malaza sy mibaribary ny fampiasana volabe ary misy mihitsy no voalaza fa mividy safidim-bahoaka amin’ny fomba samy hafa. Inona indray no hatao raha sanatria hisy ny gidragidram-pifidianana ? Iza no tompon’andraikitra ? Hahasoroka ny sakoroka ve ny HCC sy ny CENI ary ny governemanta ? Samy afaka manakarama milisy avokoa ireo kandida goavana sasany, izay efa misy ny nanao don-tandroka. Ny amiraly Didier Ratsiraka, ohatra, dia efa ireny niaraha-naheno ireny ny fanambarany fa misy kandida efa nanafatra sy nampiditra basy eto. Etsy an-kilany, fifanarahana sy antoka mazava haneken’ny kandida tsirairay ny voka-pifidianana eo, na dia efa misy 26 aza ireo solontenan’ny kandida no niditra ho mpikambana vonjimaika ao amin’ny CENI. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tena milalao ny teti-panorona amin’ny fitantanana ny firenena. Ity andrim-panjakana ity no mitondra  ny baolina, ka manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto amin’izao fotoana ary toa niainga tao avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fitondrana an’i Madagasikara. Natao hanara-maso ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàmpanorenena, saingy maro ireo toe-javatra niteraka adihevitra. Tao ny nilana ny fandraisany andraikitra kanefa karazan’ny notazanim-potsiny. Rehefa tahaka ny ahoana no arahina amin’ny antsipirihany ny lalàna ary rehefa tahaka ny inona no azo dikaina ? Nisy ny fifanarahan’i Maputo dia tondrozotra izay navadika ho lalàna hitondrana ny tany sy ny fanjakana tamin’ny taona 2010, saingy tsy misy voahaja izay voasoratra tao anatiny kanefa tsy miteny na kely monja aza ny HCC. Tsy voahaja ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanendrena praiminisitra tamin’ireo praiminisitra 3 nifanesy tao anatin’ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy tsy nisy resaka fa nandeha ho azy. Ny farany teo dia nekena fa nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny filoha, saingy ny governemanta no noravana. Hahavita hisoroka ny mety ho gidragidra ve amin’ity indray mitoraka ity ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana