Dans la męme rubrique

MPANAO GAZETY NOVONOIN’NY DAHALO

15/11/2018

Fidèle Jules, mpanao gazety iray eo anivon’ny Radio Mampita (FM 94 ao Fianarantsoa) no maty novonoin’ny dahalo.

MPANAO GAZETY NOVONOIN’NY DAHALO

Hamaky ny tohiny...

Faniry Ernaivo

15/11/2018

Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fampiatoana ny sazin’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara malagasy, Faniry Ernaivo.

Faniry Ernaivo

Hamaky ny tohiny...

MPIZAHATANY SINOA

14/11/2018

Mpizahatany sinoa 50 000 no ho avy aty Madagasikara amin'ny 2019 raha ny fampanantenana nomen'ny governemanta sinoa amin'ny minisitry ny fizahantany malagasy.

MPIZAHATANY SINOA

Hamaky ny tohiny...

MIASA NY ZANDARY

13/11/2018

Nampiana isa ireo zandary izay mitady ireo mpaka an-keriny ilay zazavavikely karàna teny amin’ny RN4.

MIASA NY ZANDARY

Hamaky ny tohiny...

Fanatanjahantena

13/11/2018

Andrasana anio ny fahatongana voalohan’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara mila ravinahitra any ampitan-dranomasina hiatrika ny fihaonana amin’i Soudan etsy Vontovorona ny alahady izao.

Fanatanjahantena

Hamaky ny tohiny...

SAMBO NITONDRA BOADEROZY

12/11/2018

Tsy nisy mihitsy fandrarana nataon'ny fanjakana fa dia nalefa malalaka fotsiny ilay sambo nitondra boaderozy.

SAMBO NITONDRA BOADEROZY

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana

09/11/2018

Mahasorena ireo mpanara-baovao ny manaraka ny fomba fanangonan’ny avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny voka-pifidianana, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo olom-pirenena vitsivitsy.

Fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FANAMIANA MIARAMILA

09/11/2018

Fanamiana miaramila tena izy sarona tao amin’ny jiolahy iray izay nosamborin’ny FIP tao Toamasina.

 

 

 

 

Izy ireo dia avy nandroba mpivady mpivarotra izay vao nahazo vola mitentina enina tapitrisa ariary. Nandeha moto roa ireo jiolahy efatra tamin’ny fanatontosana ny fanafihana. Ny roa tamin’izy ireo no maty voatifitra nandritry ny fisamborana, herinandro taty aoriana. Mampiteny ny moana ireo jiolahy mandeha scooter ao Toamasina izay sahy mitifitra avy hatrany. 

RIVODOZA

 

Tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy eto Madagasikara ilay rivodoza Alcide ao amin'ny ranomasimbe indianina amin'izao. Mbola any amin'ny 400 km no misy ny foibeny. Na izany aza, amin'ny alatsinainy vao mety hanomboka hilatsaka ny orana hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Afaka maka tsirony faramparany izany ny mponina amin’ny faran’ny herinandro alohan’ny hahatongavan’ny tena fahavaratra. 

 

CENI

Anio no hamoaka vokatra sarotsarony na” tendance” amin'ireo ho tafakatra fiodinana faharoa ny Ceni hoy ny filohany. Nanamafy izy ireo fa ny vokatra avy amin'ny Ceni sy Hcc ihany no manankery fa tsy ny avy amin'ny QG tsirairay. Hatreto anefa dia samy miezaka ny QG tsirairay avy fa ny kandidà an’izy ireo ihany no mandresy. Efa tonga hatramin’ny fifamaliana etsy sy eroa aza amin’izao fotoana izao, indrinra amin’ny tambajotra sosialy. 

ASAN-JIOLAHY

 

Nobatain’ny jiolahy hatramin’ny renim-pianakaviana tao an-trano, tany Manjakandriana. Nandritry ny fanafihana ilay tokantrano no nitranga izany. Tsy faly tamin’ny entana izay nalaina tao ireo jiolahy dia nalainy hatramin’ny olona. Vola iray hetsy no lasa ary izany no nahatezitra ireo olon-dratsy izay tsy afa-po. Mbola lavitra ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary manjaka tokana ny jiolahy, indrindra any ambanivohitra. 

 

 

 

 

 

TSIPAKY NY MIALA AINA

Manao tsipaky ny miala aina i Hery Rajaonarimampianina ary namoaka fanambaràna fa tsy milamina ny fifidianana izay natao teo ary feno hosoka. Nilaza ny hametraka fitoriana eny anivon’ny Ceni ity filoha teo aloha ity izay sady kandidà rahateo. Hatreto dia tsy nihoatry ny telo isan-jato ny vato azony ary tena nivoaka tamin’ny varavarana tery ny lehilahy taorian’ny voninahitra farantampony izay azony. Ao anatin’ny lalao avokoa anefa izany. 

FAKANA AN-KERINY

 

Mitentina 120 tapitrisa ariary no tadiavin’ireo mpaka an-keriny ny zanaka karàna iray tetsy Manerinerina. Milaza ny rainy fa tsy manana izany vola izany ary tsy hitany izay hatao manoloana ny zava-misy. Tsy voafehy hatrany ny resaka fakàna an-keriny izay tsy eto an-drenivohitra intsony fa miitatra any amin’ny faritany. Hatrany ambanivolo aza efa lasa fanaon’ny dahalo ny maka olona hatao takalon’aina ary hangalana vola ny fianakaviany avy eo.

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana