Dans la mme rubrique

Kely tsy mba mamindro!

21/01/2019

Vita ny fianianan’ilay filoham-pirenena vaovao. Miandry izay hafitsony izany isika manomboka eto, ka raha ireo fampanantenana rehetra natao aloha no ho tanteraka, dia azo antoka tokoa fa mba hivoatra Ramalagasy,

Kely tsy mba mamindro!

Hamaky ny tohiny...

Fanalahidy hahavita inona ?

19/01/2019

Feno ny fahefana eo am-pelatanan’ilay filoha vaovao. Efa any aminy, hono, ny lakile hamahana ny olan’i Madagasikara na dia niteraka resa-be aza ilay fombafomba fifanolorana tsy tanteraka omaly teny Iavoloha.

Fanalahidy hahavita inona ?

Hamaky ny tohiny...

Miverina indray ny taloha !

18/01/2019

Hanana fahefana feno manomboka anio ireo mpitondra nanana ny tantarany tsy dia tsara tamin’ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa.

Miverina indray ny taloha !

Hamaky ny tohiny...

Mila fisokafana !

17/01/2019

« Izao tontolo izao dia masoko sy sofiko avokoa », hoy ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

Mila fisokafana !

Hamaky ny tohiny...

Aleo handeha hotazanina e !

16/01/2019

Maro izay fampanantenana natao izay. Tsy vitsy izay fampanofinofisana nakana ny fon’ny vahoaka izay.

Aleo handeha hotazanina e !

Hamaky ny tohiny...

Na samy resy na samy handresy !

15/01/2019

“Tsy resy akory ny resy raha noresen’ny mpampandresy fa ny tena mpandresy dia izay mahay resy raha toa ka tena resy”, hoy ilay mpandinika raharaham-pirenena iray izay.

Na samy resy na samy handresy !

Hamaky ny tohiny...

An-tsisin-tosy …

14/01/2019

Miteraka adihevitra goavana ho an’ny mpanara-baovao sy any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao ny momba ilay fianianan’ny filoha tsy hisy fotoam-pivavahana, tsy hisy fampiasana baiboly.

An-tsisin-tosy …

Hamaky ny tohiny...


Edito

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

11/01/2019

Fa inona ihany no tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity e ? Efa nanaiky sy nilefitra ny kandida an-kilany tamin’ny fifidianana, ary efa nitsodrano ilay ambara fa lany na azo iadian-kevitra aza ny fahalaniana.

 

 

 Tsy misy intsony eto ny fanajana ny soatoavina fa toa ny manaja tena indray no ezahina homena fanafintohinana sy hanaovana eson-teny. Ny fahefana azo dia efa fahefana milafika amin’ny alahelon’ny ampahana Malagasy tsy azo tsinontsinoavina raha eo amin’ny antontan’isa kanefa toa mbola miezaka manangam-pahavalo ihany. Tsodrano sy fandrantoana fihavanana no tokony hiseho, kanefa dia fihantsiana sy fanesoana no hataon’ny sasany akaiky ilay nampandresena, toy ilay mpanao gazety iray, izay nahasahy nilaza hoe: mirary soa ny filoha Marc Ravalomanana handeha hisotro ronono. Fa efa nisy niteny an’izany ve teto ? Moa tsy fanakaikezana ny vahoaka aza no nolazainy, ary hanao izay ho afany amin’ny fanampiana ny mpiara-belona na tsy ao anaty fahefana ? Asa lahy na tanana efa zatra mitsotra fa tena mahamenatra loatra ilay toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany. Ny fanaratsiana amin’ny haino aman-jery dia tsy miato, fa sesilany hatrany ary toa te   hilaza hoe: izahay izao no eto amin’ny fahefana, ka izay tianay io. Asa ihany koa na mba havela hivalona hiaraka amin’ny tantara ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra maromaro na hopotehina tanteraka. Tsy mba misy olona to teny sy mpandala ny fihavanana ve ao anaty ekipa ao ka mba hanitsy ny efa hita fa tsy mety e ? Ny tahaka ireny no manimba endrika ny fanjakana ka tokony hasintaka dieny aty am-piandohana, raha te hahita sitraka amin’ny vahoaka. Misy fetrany rahateo io fandeferana io, ary efa miandry sy mitazana ny vahoaka manomboka izao amin’izay fihetsika sy ny hafitsoky ny mpitondra vaovao, ka sao lahy ho tonga amin’ny fitenenana hoe: ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no sarotra. Raha io fahefana efa miorina amin’ny alahelon’ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy io no mbola holaroina fihantsiana sy fananganam-pahavalo dia asa izay hiafarany. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy, ka asa raha mbola misy ihany izany fanahy sy feon’ny fieritreretana izany na tsy misy intsony fa efa lafo e ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana