Dans la mme rubrique

Fanafoanana ny SEG Velon’ahiahy tokoa ny Zandary

19/01/2019

Tato anatin’ny andro vitsy no niteraka resabe sy tsy fahafaliana ho an’ny zandarimariam-pirenena ny tanjon’ny fanjakana Rajoelina ny fanafoanana ny sekretariam-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena na ny SEG, raha ny loharanom-baovao.

Fanafoanana ny SEG Velon’ahiahy tokoa ny Zandary

Hamaky ny tohiny...

Paraky, Namontana, Marais Masay Mirongatra ny asan-jiolahy

17/01/2019

Tsy an-tsaha tsy an-tanàna ny tsy fandriampahalemana fa saika manerana ny Nosy.

Paraky, Namontana, Marais Masay Mirongatra ny asan-jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Halatra finday avo lenta Tovolahy iray 22 taona no voasambotry ny SUT

17/01/2019

Ny 13 janoary 2018 lasa teo, tovolahy iray 22 taona no voasambotry ny Polisin’ny SUT teny Itaosy noho ny resaka halatra finday.

Halatra finday avo lenta Tovolahy iray 22 taona no voasambotry ny SUT

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Misedra olana ny tantsaha

16/01/2019

Mikaikaika ny tantsaha any amin’ny faritra Itasy noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra tamin’ny taona 2018 lasa iny.

Faritra Itasy Misedra olana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...

Fangalarana Starex sy famonoana mpamily Olona 7 no voasambotra teny Ankazobe

16/01/2019

Tanora fito mianadahy, 21 hatramin`ny 25 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava noho ilay raharaha fangalarana fiara Starex sy famonoana ny mpamily azy.

Fangalarana Starex sy famonoana mpamily Olona 7 no voasambotra teny Ankazobe

Hamaky ny tohiny...

Halatra omby Tena misy ireo zandary tratra nifandray tendro tamin’ny dahalo

11/01/2019

Tena misy ireo zandary mifandray tendro amin’ireo dahalo mpangalatr’omby, hoy ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimariam-pirenena omaly.

Halatra omby Tena misy ireo zandary tratra nifandray tendro tamin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana “Cash point” teny Ambodin’Isotry Voaroba ny vola 4 tapitrisa ariary

09/01/2019

Taorian’ny fandrobana ireo toeram-pivarotam-panafody teto an-drenivohitra dia manomboka mahita faisana indray amin’izao ireo “cash point”

Fanafihana “Cash point” teny Ambodin’Isotry Voaroba ny vola 4 tapitrisa ariary

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Fanafihan-jiolahy Olona roa naratra mafy tao Vatofotsy Antsirabe

11/01/2019

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tao Mahafaly Vatofotsy ny alin’ny alarobia 9 janoary 2019 lasa teo. Olona mpianaka no naratra mafy sy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’Andranomadio vokatr’izany.

 

 

 Mpiavotra ity voatafika ity ary jiolahy niisa 4 no nanao ny fanafihana, izay nitondra basy lava misy hazo ny vodiny (tsy fantatry ny olona ny anarany fa mety kalak angamba). Tao anatin’ny nahatapaka ny jiro tao Antsirabe manontolo ny fanafihana. Vao tafiditra ireo jiolahy dia ny vola avy hatrany no notadiaviny ary ilay zazalahy namoha ny trano no voadaroka vy tamin’ny lohany ka naharatrana niisa 3. Taorian’izay dia ilay renim-pianakaviana indray no nosamborin’izy ireo sy nodarohany ihany koa ary notereny hamoaka ny vola ka 3 hetsy mahery no lasan’ireo jiolahy. Voavelin’ny vy na famaky ihany koa moa ity renim-pianakaviana ity ary raha iny andeha hivoaka ny varavarany iny izy dia nofirain’ireo jiolahy ny tanany ka tapaka ny loharantsany an-kavanana. Tafavoaka ihany ary afaka niantso vonjy moa ireo olona ka dia tonga ny fokonolona ary nitsoaka ireo jiolahy. Ratra telo ihany koa no nahazo ilay renim-pianakaviana tao amin’ny lohany, ankoatra ny fahatapahan’ny rantsan-tanany. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly ireto olona voatafika sy naratra ireto.

Caius R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana