Dans la męme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiara lafo vidin-dRajoelina Iza no nandoa ny vola ?

21/01/2019

Niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny fiara tsara tarehy nitondra ny filoha vaovao Andry Rajoelina nandritra ny fianianana tetsy Mahamasina ny sabotsy 19 desambra lasa teo.

 

 Fiara vita Amerikanina marika Cadillac Escalade V8, 6.2 litres, 426 CV amin’ilay hiaka farany, raha ny fahitana ny endriny ivelany. Manodidina ny 100 000Euros (400 000 000Ar) ny vidiny iaingana amin’izy io. Hafa mihitsy anefa ny mbola fikirakirana azy ireny ho tsy laitram-bala, izay 500 000 hatramin’ny 1 500 000 Euros. Raha raisina ho 1 000 000 Euros, ohatra, ny manao an’izay dia mety mahatratra 4,4 miliara ariary ny vidin’ny fiara miampy azy io. Sokajian’ny gazetiboky Forbes ho anisan’ireo fiara raitra sy lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany ny Cadillac. Filoham-pirenena eto ambonin’ny tany anisan’ny mampiasa azy ny filoha Amerikanina Donald Trump. Ny fiarany manokana izay nampanamboarina ny orinasa Amerikanina General Motors mamokatra io marika io izao, dia mahatratra 14 tapitrisa Euros ny vola naompana tamin’ny fikarohana sy fanamboarana ny fiarany tsy laitram-bala milanja 8 taonina, ary nomena ny anaram-bositra “The beast” na “La bête”. Tsy fitia te hanakiana fa tsetsatsetsa tsy aritra ny hametrahana fanontaniana. Te hitovy laharana amin’ny filohan’ity firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany ity ve ny filohan’i Madagasikara firenena faha-4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ? Ny vahoaka sahirana saingy ny filohany kosa tena mampiseho fa manam-bola be. Tsy mbola teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina no novidiana io fiara io. Fananany manokana izany iny sa an’ny fanjakana ? Oviana no novidiana ? Ahoana no nividianana azy ary avy aiza ny vola ? Raha azy manokana, nahoana no nosalorana ny mari-pamantaran’ny Repoblika Malagasy ? Hita taratra ny fampifangaroana ny fitantanana ny haren’ny tena manokana sy ny raharaham-panjakana, raha ny volany manokana no nividianana an’iny. Raha sahy milaza io filoha vaovao io fa azy tamin'ny volany manokana no nahazoany azy, dia rariny loatra ny SAMIFIN raha manadihady ny niavian'ny vola, ny fotoana nanaovana ny kaomandy sy ny olona mety ho nanolotra raha izany no fanazavana ho azo, hoy ny olom-pirenena. Raha niala avy tany Etazonia na firenen-kafa tany Eoropa, dia am-bolana vao tonga aty raha mandeha sambo fa efa nomanina tao. Vao miha mampitombo ny ahiahy ny fahafantarana araka ny angom-baovao natao fa efa 3 volana izay no tonga teto Madagasikara io fiara io, izany hoe efa nohafarana ny fiara na dia tsy natao akory aza ny fifidianana fihodinana faharoa ny 19 desambra 2018. Fa efa nahafantatra mialoha ny voka-pifidianana ary ve izany i Andry Rajoelina ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana