Dans la mme rubrique

Fiarovana sy fanaraha-maso ny omby Raikitra ny “Puce électronique »

17/05/2019

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 16 mey 2019 tao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ny fametrahana ireo "puce electronique" ho an’ny omby, ka ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nisantatra izany tany an-toerana.

Fiarovana sy fanaraha-maso ny omby Raikitra ny “Puce électronique »

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny trondro vaventy amin’ny kolikoly « Tsy vita dimy taona »

17/05/2019

Ny sehatry ny asam-panjakana no tena hanjakan’ny kolikoly sy ny risoriso eto amintsika, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Harisolofo Rakotondrabe Andriamihanta.

Ady amin’ny trondro vaventy amin’ny kolikoly « Tsy vita dimy taona »

Hamaky ny tohiny...

Tontolo politika eto Madagasikara Miha ratsy hatrany

17/05/2019

Ahoana ny fomba hitokisan`ny olona ny mpanao politika raha miharihary ny zavatra hitany ?

Tontolo politika eto Madagasikara Miha ratsy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fizahantany Tsy ampy fahaiza-manao ny Malagasy

17/05/2019

Atrikasa nandritra ny 3 andro hanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany no notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Nifarana omaly alakamisy 16 mey ny hetsika ary mpandray anjara 70 teo no nandalo tao, nahitana ireo avy any amin’ny faritra. Lohahevitra 2 no novelabelarina sy nifampizarana omaly.

Sehatra fizahantany Tsy ampy fahaiza-manao ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Teknolojia vaovao Tsy maintsy hirosoana

17/05/2019

Saika nitodika tamin’ny fandrosoan’ny teknolojia ny tatitra momba ny fandrosoana maneran-tany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. Maro ny firenena matahotra ankehitriny amin’ny fampiasana ny robot amin’ny fiantraikany amin’ny tontolon’ny asa.

Teknolojia vaovao Tsy maintsy hirosoana

Hamaky ny tohiny...

Alasora Toaka gasy 260 litatra no saron’ny mpitandro ny filaminana

17/05/2019

Toaka gasy 260 litatra no saron’ny polisin’ny CSP Alasora teny amin’ny By pass ny alarobia 15 mey, tokony ho tamin’ny 9 ora alina.

Alasora Toaka gasy 260 litatra no saron’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Mpifankatia nifamono Tovovavy voatsindron’antsy tao amin’ny “chambre”

17/05/2019

Tovovavy iray no hita nitsirara torana tsy nahatsiaro tena, nihoson-dra tao amin’ny Maeva Hotel, efitra 101 ao Mahajanga omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

Mpifankatia nifamono Tovovavy voatsindron’antsy tao amin’ny “chambre”

Hamaky ny tohiny...


Actualits

BAR sy Karaoke eto an-drenivohitra Hakatona izay misokatra aorian’ny amin’ny 9 ora alina

26/02/2019

Tsy maintsy mikatona amin’ny 9 ora alina avokoa manomboka izao ireo bara fisotroan-toaka sy karaoke rehetra misy eto an-drenivohitra.

 

 

Raha ny nambaran’ny prefen’ny polisy eto Antananarivo Renivohitra Atoa Ravelonarivo Angelo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia anisan’ny mitarika ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ny fisokafan’izy ireny mandrapaharainan’ny andro ka tsy maintsy handraisana fepetra. Hisy ny fidinana ifotony hataon’ny mpitandro ny filaminana manomboka izao ka izay mbola tratra mandika lalàna dia hosintonina aminy avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalana. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ireo sefom-pokontany 192 ny fijerena ny lisitr’ireny bara sy karaoke ireny ka  hotetezina avokoa, eny fa na dia ireo somary misitrika any anelakela-trano aza. Ao koa ny fijerena ny bokim-bahiny. Tsy maintsy misoratra anarana eny anivon’ny fokontany avokoa manomboka izao ireo mivahiny amin’ny fianakaviany eto an-drenivohitra satria  dia hisy ihany koa ny fisavana izany. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fitadiavana ireo  mpanendaka sy mpanao sinto-mahery anelakela-trano. Tokony hisy hahalala mantsy izy ireny na dia ny mpiara-monina aminy ihany aza. Mbola hitohy amin’ny faran’ny herinandro ny fivoriana hotanterahin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny prefe.

 

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana