Dans la męme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana depiote Hivoaka amin’ny 19 martsa ny lisitry ny kandida

06/03/2019

Ao anatin`ny fanomanana tanteraka ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka ny CENI Madagascar amin`izao. Niely ny feo fa hahemotra ny tetiandro fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote.

 

 Nanamafy ny mpampiakatenin`ny CENI, Fano Rakotondrazaka, fa ho an`ny CENI sy ny rafitra mpanamarina sy mpandrakitra an-tsoratra ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana (OVEC) eny amin`ny distrika 119 dia ny 26 febroary lasa teo no nanomboka ny fandraisana ny antontan-taratasy isaky ny distrika ka hatramin’ny 12 martsa izao amin`ny 5 ora hariva izany raha ny didim-panjakana nivoaka. Tsy mbola misy ny fanemorana ny daty hanaterana ireo antontan-taratasy ireo. Momba ny fomba fiasan`ny OVEC, rehefa tonga ny kandidà hametraka ny antontan-taratasy dia manamarina izany sekretaria teknika. Raha feno ireo fepetra takiana, manome « récépissé de dépôt » ny OVEC ka manana 72 ora izy ireo handinihana azy. Raha tsy feno kosa, omena safidy malalaka ny kandidà ka manana 48 ora izy amin`ny famenoana ny antontan-taratasy. Tsy midika fa efa kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny olona iray raha nahavita nametraka ny antontan-taratasiny fa miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny OVEC. Raha tsy mahafapo ny kandida ny valiny dia mbola azo entina eny amin’ny CENI ka 24 ora indray no handinihana ny antontan-taratasy, hoy hatrany i Fano Rakotondrazaka. Ny 19 martsa kosa no hamoaka ny lisitra ofisialin`ireo depiote hirotsaka hofidiana amin`ny fifidianana manaraka izao ny CENI foibe, araka ny tetiandrom-pifidianana eo am-pelatanany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana