Dans la mme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikarakarana fifidianana Mampiahiahy sahady

06/03/2019

Nampahafantarin’ny avy eo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI tetsy amin’ny biraony etsy Nanisana omaly fa miverina misokatra indray mandritry ny 20 andro ny lisi-pifidianana ahafahan’ireo mpifidy voasoratra anarana

 

 

manamarina ny anarany sy manitsy izany raha sanatria misy tsy fahatomombanana. Nitombo 2,53% ireo mpifidy voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna ho avy izao, raha ny voambara, satria mitotaly 10.154.639 isa izany ankehitriny manerana an’i Madagasikara raha 9.903.915 tamin’ny farany teo. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao moa ny hoe nitombo tokoa ve sa nampitomboina ireo tarehimarika ? Ny mahagaga dia maninona no any amin’ireo faritra tena heverina ho lavitra andriana no nahitana taham-pitomboana avo ? I Bongolava, ohatra, dia nahitana taham-pitomboana 5,55%. 2,7% ny ao SAVA raha toa ka 2,21% ny eto Analamanga ary 2,61% ny ao Vakinankaratra. Mampiahiahy sahady araka izany ny fikarakarana manaraka.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana