Dans la męme rubrique

KANDIDA HO TALE JENERALIN’NY KANDIDA

17/05/2019

Namoaka ny antontan' isa ofisialy ny CSI (Comité de sauvegarde de l'intégrité) mahakasika ireo mikasa ho tale jeneralin' ny Bianco.

KANDIDA HO TALE JENERALIN’NY KANDIDA

Hamaky ny tohiny...

KANDIDA HO TALE JENERALIN’NY KANDIDA

17/05/2019

Namoaka ny antontan' isa ofisialy ny CSI (Comité de sauvegarde de l'intégrité) mahakasika ireo mikasa ho tale jeneralin' ny Bianco.

KANDIDA HO TALE JENERALIN’NY KANDIDA

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO BASY KALACH ROA AZO TAO BETROKA

17/05/2019

Basy "Kalachnikov" miisa roa no saron’ny zandary avy amin'ny kaompania Betroka afak’omaly maraina, tao Andranomiforitra Ankiry.

BE VAOVAO BASY KALACH ROA AZO TAO BETROKA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-DAHALO

16/05/2019

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontanin’ Andranolavamena, Amparafaravola ny talata alina teo, omby 46 no lasan’ny dahalo ary olona 5 no voatifitra

FANAFIHAN-DAHALO

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO ANDRAVOAHANGY

16/05/2019

Mirongatra ny mpangarom-paosy amin’ny faritra manodidina an’Andravoahangy, indrindra amin’iny faritra afaka an’i Behoririka sy manamorona an’Andravoahangy tsena iny.

BE VAOVAO ANDRAVOAHANGY

Hamaky ny tohiny...

ZANDARY NAKARINA HOTSABOINA

14/05/2019

Zandary mpianadraharaha tratry ny tsy fahasalamana iray izay miasa tany Ampasinambo Mananjary no voatery novonjena niaraka tamin'ny angidimby nankeny amin'ny hopitaly Soavinandriana CenhoSoa omaly.

ZANDARY NAKARINA HOTSABOINA

Hamaky ny tohiny...

FID SY BIANCO

14/05/2019

Haharitra 5 taona ny fiarahamiasa eo amin’ny FID sy ny BIANCO nosoniavina omaly teny Ambohibao momba ny ady amin’ny kolikoly.

FID SY BIANCO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MASOIVOHO AMERIKANINA

06/03/2019

Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly maraina ny Ambasadaoro vaovaon'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara Michael Pelletier.

 

 

 

 Nantitranterin'ny Ambasadaoro Pelletier nandritra ny fihaonana ireo fiaraha-miasa izay efa misy eo amin'ny firenena roa tonta. Nilaza ihany koa ny Ambasadaoro fa miandry fatratra ny fiaraha-miasa amin'ny governemanta sy amin'ny sehatra tsy miankina izy hitadiavana izay fomba tsara indrindra hanohanana an'i Madagasikara hanatratra ny tanjony.

 

SINOA NOSAMBORINA

 

Sinoa iray no nosamborina tao anaty hotely tetsy Ankazomanga. Nisy naheno ny fofon-drongony izay nofohany tao anatin’ilay efitra. Rehefa tonga ny polisy nisava ilay toerana dia mbola nahitàna sokatra miisa 24 koa tao. Izany hoe sady manao trafikan-tsokatra koa ity vahiny ity. Efa nisy fotoana izy voasambotra noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna tany aloha tany, raha araka ny fantatra. 

ACM

 

Tsy misy idiran'ny didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na  IST izay navoaka ho azy no antony nanajanonana ny Tale Jeneralin'ny ACM teo aloha. Efa tapitra tamin'ny faran'ny volana febroary teo ny fotoam-piasany saingy nifampitontona tamin'izay koa ny IST mahakasika azy. Mbola vao eo am-pitadiavana ny ho solony ny filankevim-pitantanan'ny ACM hatramin'ny 25 martsa. 

 

FIARA NIREHITRA

 

Fiara golf iray no nirehitra tetsy Tsaralalana manakaiky ny Anjary Hotel omaly tolakandro, nikorapaka ny manodidina satria teo akaikina trano fivarotana goavana no nitrangan’ny loza ary tena nidedaka ny afo.Soa ihany anefa fa tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina koa dia tsy nihanaka fa voafehy haingana ny afo.Potika tanteraka ny moteran’ilay fiara, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

SEKOLY HO VOASAZY

 

Misy sekoly izay mety handraisana fepetra ato ho ato noho ny fanomezany alàlana ny mpianatra mba hampandihy vody no sady miboridandridana. Izany anefa dia ao anaty fetin-tsekoly. Efa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny horonan-tsary ary raha ny re dia efa nisy nampandre ny sampana cybercriminalité eto an-drenivohitra. Midika izany fa ny sekoly mihitsy no mampidina hasina ny mpianatra indraindray. 

JEAN NIRINA HAFARI

 

Nidoboka am-ponja indray i Jean Nirina Rafanomezantsoa afak’omaly rehefa niakatra teo amin’ny fampanoavana etsy Anosy. Karàna izay mitondra ny anarana H. Hno mpitory azy. Izany dia noho ny filazàna fa nanery azy ny hanome vola i Jean Nirina Hafari. Tany izay mitondra ny titre 72958A ny anton’ny fifandirana eo amin’ny roa tonta. Re ihany koa ankehitriny ny anarana depiote teo aloha fa hoe mifandray amin’ity raharaha  ity .

 

JENERALY RAVALOMANANA RICHARD

 

Fantatra mazava fa i Jeneraly Baomba na i Jeneraly Ravalomanana Richard ilay voalazan’ny gazety sasany fa mpiaro an’i Maminirina Jean Eddy. Raha ny tsilian-tsofina re dia misy horonam-peo izay hilazan’i Eddy boaderozy mihitsy mandeha any izay milaza fa i Jeneraly Baomba no niaro azy hatrizay. Mafana tanteraka ny raharaha.

MINISTERA

 

 Misy amin’ny minisitera sasany no tsy mikirakira vola entina mampiodina ny sampan-draharahany intsony tale. Raha ny tsikaritra dia mitady vola fatratra ny fitondràna na koa manidy fehikibo ary entina hanaovana propagandy amin’ny fifidianana depiote ny vola. Misy sahady ny tale izay vaotendry no efa kamokamo miasa.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana