Dans la mme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NITORY NY FIANAKAVIAN’ILAY KARANA VAVY

27/03/2019

Omaly no nametraka ny fitoriana teo anivon’ny BC etsy Anosy ny fianakavian’ilay ramatoa karàna vavy Rehana Dinmamod izay nisy namono ny alahady tolakandro teo.

 

 

Tsy mbola nisy kosa ny fisamborana hatreto. Raha tsiahivina dia manana mpiasa roa izy ary mifandimby ireo amin’ny fikarakaràna azy izay manana aretina mitaiza. Nisy mompera koa izay nampanantsoin’ilay madama tamin’io fotoana io ary niandry fotsiny tao. Kinanjo efa maty nofatorana tao anaty « baignoire » sy nalentika anaty rano ilay karàna. 

DELESTAZY

Miverina indray ny fahatapahan-jiro amin'ny faritra maro. Toa ataon'ny jirama fanararaotana ny andro ratsy sy ny fotoam-pahavaratra. Maharitra ora maro ny fahatapahana ary tsy miverina mihitsy raha tsy maraina any amin’ny kartie sasany eto an-drenivohitra. Indrindra koa, tsy mba misy fampilazàna toa ny teo aloha izay mba hahafahan’ny mponina miomana amin’ny fandrindràna ny fiainany. Sady tampoka no tsy misy fialan-tsiny. Manao izay danin’ny kibony tanteraka ity orinasam-panjakana ity. 

FAMBOLEN-KAZO

Nitombo tsy toy ny isan-taona ny fahavitrihan'ny olona manao fambolen-kazo. Hatramin’ny fikambanana madinika ka hatramin'ireo orinasa goavana, nanatanteraka izany avokoa. Izay vao tonga saina ny amin'ny mahasarobidy ny ala sy ny tontolo maintso. Tsy vitan’ny mamboly fotsiny anefa no tena tokony hatao fa misy fanaraha-maso ny fitombon’ny hazo koa raha tiana ho velona soa aman-tsara izany. Eo no mety ho lesoka, raha tsy mitandrina dia ho very maina fotsiny ny ezaka. 

POLISY MAMPAHAFANTATRA NY LALANA

Mifantoka tanteraka amin’ny fampahafantarana ny lalàna aloha ny ataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana hatreto. Ny an’ny kaomisaria foiben’Avaradrano dia nampanantsoina avokoa ireo zotran’ny taksibe izay mampitohy an’iny faritra iny ary noresahina momba ny olana izay hita matetika avy amin’ny fitarainan’ny mpampiasa làlana. Mety ny ezaka izay misy fa kosa raha vao misy iray izay maka vola eo indray dia ho rava tanteraka ny tanjona rehetra. Manara-maso ny rehetra. 

LALANA MIFEHY NY SERASERA

Haverina hodinihina tanteraka ny lalàna izay mifehy ny serasera. Izay no isan’ny asa lehibe izay handrasan’ny fitondrana amin’ny minisitera tompon’andraikitra. Ny minisitra izay anisan’ny niady mafy ny fanovàna an’io fony izy mpanao gazety ary rariny loatra raha mitodika any aminy ny maso ankehitriny. Anisan’ny handrasan’ny maro ny fialan’ny fitondrana amin’ny asan’ny mpanao gazety ary tsy hofehezin’ny minisitera intsony. 

NIASA TANY KOWEIT

Misy olona tonga avy any Koweit ary niasa tany nandritry ny fotoana ela no tonga eto an-tanindrazana amin’izao fotoana. Ny olana dia tsy mahatadidy izay rehetra nitranga izy ary very saina tanteraka. Manazava hatrany fa na mahafaty na mahalasa adala ny fiasàn’ny Malagasy any an-toerana kanefa dia mbola betsaka ihany ny roboka amin’izany. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana