Dans la mme rubrique

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

20/08/2019

Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

Hamaky ny tohiny...

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

20/08/2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

20/08/2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

20/08/2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

20/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

19/08/2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida depiote atidohana kidnapping Nomena fahafahana vonjimaika i Hajanirina

27/03/2019

Nomen’ny Fitsarana Ambony Toamasina fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina izay voarohirohy noho ny fakana an-keriny. Nanao fanakanana ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana, saingy tsy afa-nanoatra.

 

 Ny androtr’io ihany dia efa niala tao Toamasina an’Antananarivo ny tenany, raha ny fampitam-baovao. Nizarany ny hafaliany io fahafahany io ireo namany, ary koa ny nampahafantarany fa « tsy nisy nanampo ny nialany » tao am-ponja ny maro. Marihina fa voarohirohy ho niketrika ny fakana an-keriny ilay teratany karana Arman Kamis ny tenany ny volana novambra 2018, ary voasambotra tany Antsirabe ny volana desambra 2018. Niisa 8 ireo niara-voasambotra taminy. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana amin’ny mety ho fanavotana sy fampanoavana tao Toamasina ny volana desambra 2018. Mahagaga fa tsy mbola notsaraina ity raharaha ity no izao nomena fahafahana vonjimaika izao ilay voalaza fa atidohan’io fakana an-keriny io. Kandida depiote mpisolo toerana amin’ny lisitra tsy miankina iray mirotsaka ao amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dina, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.  Mampiahiahy ny nahazoany fahafahana vonjimaika izay mety efa ela izany, fa natao nangingina matoa afaka nikarakara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany izy. Toa manamarina izany rahateo ny vaovao nivoaka vao andro vitsy izay momba ny fisamborana azy indray, saingy io nomena fahafahana io. Misy amin’ireo dosie misy 14 karazany rahateo tsy maintsy fenoin'ny mpilatsaka ho fidiana, ka tsy maintsy eo imason’ny tompony no atao ny fanamarinana azy.  Tany aloha dia ny Vondrona MAPAR no nahalalana azy, ka asa na misy hifandraisany amin’izany izao fanafahana azy izao na tsia.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana