Dans la mme rubrique

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

19/08/2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

12/08/2019

Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

01/08/2019

Vahiny manokan’ny onjam-peo Fandaharana “Bemiray” ao amin’ny Top Radio 102.8 Fm Atoa Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana omaly maraina.

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

Hamaky ny tohiny...

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

31/07/2019

Manomboka ny alarobia ho avy izao dia hipetraka ny fandaminana vaovao eo amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato .

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

29/07/2019

Nandritra ny 10 taona nitsanganan’ny Sampandraharaha iadiana amin'ny famontsim-bola sy famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana (SAMIFIN) izay dia tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy voatery hiandry ny fitondram-panjakana

29/07/2019

Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy ny orinasa Etech izay mbola anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany hatrany.

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy voatery hiandry ny fitondram-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Mpikaroka maneran-tany momba ny tontolo iainana Hihaona eto Madagasikara mandritry ny 4 andro

29/07/2019

Hiditra amin’ny andiany faha-56 ankehitriny ny kaongresy iraisam-pirenena goavana indrindra eto ambonin’ny tany momba ny tontolo iainana na ATBC.

Mpikaroka maneran-tany momba ny tontolo iainana Hihaona eto Madagasikara mandritry ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Banky iraisam-pirenena « Tokony handroso ara-toekarena i Madagasikara »

27/03/2019

Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa miaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena no natao omaly talata 26 martsa tetsy amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola Antaninarenina.

 

 

 

Anisan’izany ny tetikasa nasionaly momba ny fanamarinana ny taratasin-tany izay nanomezan’ny Banky Iraisam-pirenena 52 tapitrisa dolara hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa ary ny ivontoeram-pitsaboana hahazo jiro ka nanomezan’izy ireo 150 tapitrisa dolara. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanomezan’ny Banky iraisam-pirenena 90 tapitrisa dolara hanamafisana ireo tetikasa nasionaly amin’ny fiahiana ara-tsosialy izay tena mbola marefo eto Madagasikara. Nanambara   Ramatoa Coralie Gevers  misolotena ny Banky iraisam-pirenena fa zava-dehibe ary tena ilaina ny fanampiana an’i Madagasikara, indrindra amin’ny sehatra fambolena satria io no ifotoran’ny toekarena Malagasy. Miankina amin’io sehatra io mihitsy hoy izy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Fifanarahana tantanan’ny fanjakana Malagasy moa ity natao omaly ity araka ny tatitry ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto ka ilana fahaiza-mitantana. Saika voakasik’ity fifanaovan-tsonia ity avokoa ny sehatra fambolena, ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny angovo ary ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana