Dans la mme rubrique

Midoka tena toa papelika

19/10/2020

Manga ny lanitra, nahomby ny ezaka, tena nahay ny mpitondra ankehitriny tamin’ny pakaidy nentiny niatrehana ny krizy, raha ny valan-dresaky ny filoham-pirenena omaly.

Midoka tena toa papelika

Hamaky ny tohiny...

EDITO Efa tena mifamono…

16/10/2020

Lavitra ny kitay ny afo amin’ny hisian’ny fampihavanana, fa mifamono sy mifamotika ny mpanao politika. Mifanagadra, ka ifandimbiasana ny fidirana any Antanimora na Tsiafahy, raha izao fizotry ny tantara izao.

EDITO Efa tena mifamono…

Hamaky ny tohiny...

Mila mpanangana

15/10/2020

Maromaro ihany izay mpanao politika sy mpitondra fanjakana teo aloha nanambara ny mbola tsy fitsanganan’ny firenena Malagasy izay.

Mila mpanangana

Hamaky ny tohiny...

Mihazakazaka mihemotra

14/10/2020

Efa mandeha ny firenena, efa misy ny fotodrafitrasa tokanana, efa mizarazara zavatra,…

Mihazakazaka mihemotra

Hamaky ny tohiny...

Misy fetra

13/10/2020

Misy fetra ary tsy misy natao haharitra avokoa ny zava-drehetra hary eto amin’ity tany fandalovana ity.

Misy fetra

Hamaky ny tohiny...

Izay ipoahany any irehetany

12/10/2020

Ho tapitra anio ny fe-potoana farany ahafa-mandrotsaka ny antontan-taratasy ho an’ireo te hibata ny sezan’Anosikely.

Izay ipoahany any irehetany

Hamaky ny tohiny...

Misy farany io a !

09/10/2020

Asa raha mba mahara-baovao tsara ihany ny ao an-dapa ao.Efa tena miova fa tsy tahaka ny tamin’ny 2 taona lasa ny sary ankehitriny ; toa tapitra hatreto ilay kandida laharana faha 13 nampanofinofy sy manjelanjelatra be hilaza fa hanao zavatra tsy mbola vitan’ny rehetra nitantana teo alohany.

Misy farany io a !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Fiandrianam-pirenena ahoana e ?

17/04/2019

Resahina sy ventesina ny resaka fiandrianam-pirenena eto Madagasikara, ka lohalaharana amin’io ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Rehefa manonintohina ny tombotsoa politikan’ny mpitondra ny fihetsiky ny avy any ivelany dia ny hoe : tany manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany i Madagasikara, ka aza hidinkidirana. Isan’ireny ilay raharaha toa mampifanolana ny Afrikanina Tatsimo sy ny Fanjakana Rajoelina, izay tsikaritra ezahina takona sy alamindamina amin’izao fotoana izao.

 

Rehefa mba metimety amin’ny mpitondra fanjakana indray, dia mirarakopana ny hoe : tsy afaka ny hiolonolona eto isika fa tsy maintsy misokatra sy miara-miasa amin’ny avy any ivelany. Ny vola hanatanterahantsika fifidianana izay ho mpitondra eto amin’ny firenena aza anefa hitalahoana any amin’ny vahiny. Fa mizotra mankaiza marina isika ity e ? Mbetika maneho fa be hambom-po sy milaza fa tena tany manana ny fiandrianam-pirenana ka tsy tokony hitsabahan’ny hafa. Ny fiaraha-miasa tamin’ny mpamatsy vola mahazatra aza nohamavoina sy nohambaniana tany aloha, ka niresahina fa efa vonona amin’ny lafiny rehetra na ara-bola na ara-teknika ny kandida Rajoelina fa ny fahatongavana amin’ny fitondrana sisa andrasana, ary isika za no hampindram-bola ny Nosy Kaomoro. Nambara fa efa vonona ny famatsiam-bolan’ny IEM, kanefa na ny fiaraha-miasa amin’ny Maraokanina katsahina mafy aza anie, ka tetikasa efa nifanarahana tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina no tiana hamafisina e ! Tonga eo amin’ny fahefana Atoa Andry Rajoelona, dia mitangirika vola etsy sy eroa, mitady fiaraha-miasa ary sy atsia, ary tena mandany vola tsy toko tsy forohana hitadiavana làlana any ivelany, fa tsy hita izay vokatra. Nodiavina i Addis-Abeba, nilana ranondranony i Maorisy, nikarohana fiaraha-miasa i Kenya, ary toa natao tsara doka i Sénégal kinanjo inona no teo ? Izay ilay hoe : ny vava no tsy atao be dia ny mamerina azy no sarotra. Na inona aloha ambara ho fiandrinam-pirenena, dia ny vahiny no mifehy ny toakarena sy homena tombondahiny eto. Ny mpandraharaha Malagasy sokajiana ho mifanitsaka bizina amin’ny olon’ny mpitondra enjehina sy gadraina, ary voizina ny resaka fampiharana ny tany tan-dalàna. Ireo matevi-koditry ny afera maloto kanefa mahay milomano ao anaty fitondram-panjakana kosa na vahiny na teratany tsy mba voakitikitika. Aiza ho aiza amin’izany ny ambara fa fitiavan-tanindrazana sy fiandrianam-pirenena. Tsy sanatria finiavana hivoy fankahalana vahiny, fa ny olona matoa mitady làlana sy te handraharaha eto ary mitangirika fiaraha-miasa dia mikendry tombony ho azy. Na inona na inona holazaina dia ny Malagasy no manana ny fitiavana ny tanindrazany fa tsy ny vahiny, ka eo no tokony hahamailo antsika satria ny hita eto aloha, dia ezahina halentika ny mpandraharaha Malagasy heverin’ny mpitondra fa mifanipa-kevitra ara-politika aminy, fa ny vahiny mpiara-mibizina no homena vahana. Aiza ho aiza ilay ambara fa fitiavan-tanindrazana sy fiandrianam-pirenena?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana