Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

17/04/2019

Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.

 

Raha ny isam-bato 200 000 izany dia azo lazaina ho nampitsimbadika ny voka-pifidianana filoha, ankoatra ny hosoka samihafa toy ny taham-pandraisana anjara hatrany amin’ny 125% izany hoe nihoatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ny nandatsa-bato toy ny biraom-pifidianana maro be tany Atsimo. Azo raisina fa tsy mitombina ny valin’ny fitoriana samihafa tamin’ireny. Mampanahy ny mbola hisian’ny tahaka izany amin’izao satria efa miantehitra amin’ny azo raisina fa tsy mitombina avy amin’ny HCC ny kandida sasany, indrindra fa ireo miara-dia amin’ny filoha izay efa nomen’ny HCC rariny ny hialokalofana amin’ny fitondrana ny anaran-dRajoelina. Misy ny mijapy tetikasam-panjakana, misy dia minisitra am-perinasa mihitsy no mandray fitenenana amina famoriam-bahoaka ataona kandida depiote,… Izay tsy manao hosoka sy tsy mangalatra fa manara-dalàna no sokajiana ho dondrona tsy mahalala izay ambonin’ny tany eto. Atao fanjakan’i Baroa mihitsy ve izy ity ka samy hanao izay saim-patany ? Handeha indray io ny resaka bileta tokana sy ny “specimen”, ka inona ny fepetra raisina amin’ny mety ho hosoka miainga amin’ireny ? Ahoana indray ny fanaraha-maso satria ireny no isan’ny mody nentina tao anaty biraom-pifidianana hahafahana maka bileta mivoaka any ivelany ary mety hampitomboina be dia be avy eo ?

Toky R 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana