Dans la mme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Efa tena tany miady i Madagasikara Nahetsika ny miaramila

18/04/2019

Ny polisy (an-tanàn-dehibe) sy ny zandary (any ambanivohitra) no mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana raha ny mahazatra. Ankehitriny anefa nahetsika an-tanàn-dehibe ary nalefa amina distrika maro ny miaramila izay manda farany amin’ny fiarovana ny firenena. Tranga izay toa mampiseho fa efa tany miady i Madagasikara.

 

Mirongatra loatra ny asan-jiolahy ka tsy voafehin’ny polisy sy ny zandary intsony, dia izao miditra an-tsehatra izao ny miaramila vondron-tafika  “Zone Rurale Prioritaire de Sécurité” (ZRPS) DELTA miisa 400, efa ho roa volana lasa izay. Miaramila 400 hafa indray alefa any amina faritra vitsivitsy ZRPS. Hiainga any Tsiroanomandidy rahampitso zoma 19 aprily. Jiolahy 70 no efa voasambotra, fa ny tsy fandriampahalemana mitohy foana na misy aza ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana. Tany Mahatsinjo, Mampikony, Anjozorobe, Ambatomainty ny toerana voalohany nanaovana ny hetsika (Zone Delta). Efa nisy 400 hafa efa nalefa tany Bekopaka, Ambohimahasoa, Mahabo. Miady amin’ny fakana an-keriny sy ny asan-jiolahy isan-karazany ireto miaramila ireto. Efa azo ny vaovao momba ireo olon-dratsy ary maro ihany koa ny fitaovam-piadiana efa sarona nandritra ny hetsika ZRPS. Miaramila 1000 miaraka amin’ny andian-tafika manokana no aparitaka manerana ny Nosy raha ny fanazavana azo. Misy ifandraisana amin’ny toekarena sy ny sosialy io. Mila manana politika mazava sy mahomby hiatrehana ny tsy fananan’asa, fanamorana ny famoronan’asa sy ny famokarana,… satria rehefa miasa sy mamokatra ny tanora mihena ho azy ny asan-jiolahy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana