Dans la mme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao Namaly bontana ireo te hanongana azy

18/04/2019

Maro no niandry sy nanongilan-tsofina nanaraka ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly na teto an-tanindrazana na hatrany ampitan-dRanomasina tamin’ny alalan’ny tranonkala https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect nihaino ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ary filoha nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) teo aloha omaly. Anisan’ny antoko mbola tanora ny HVM ny taonany izay 5 taona izao, fa nandray anjara feno tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, loholona, filoham-pirenena, ary manana ny paikadiny amin’izao fifidianana depiote izao.

 

Manaiky ny fifandimbiasana ara-demokratika, ary tsy fahanginana ara-politika ny azy ireo amin’izao, fa tena mbola mijoro saingy mandini-tena hoe: inona no tokony hatao ? Nisy namana, hoy izy, nanome tsiny hoe: ohatr’izao raha nanohana olona tamin’ny fihodinana faharoa, dia tafiditra tao anaty fanjakana, saingy tsy any ny lalana ho an’ny HVM. Maro ny zavatra nezahin’ny fanjakana HVM natao ary mitohy amin’izao fanjakana izao toy ny lalana, fanomezana rano any Atsimo, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Tolagnaro,... Ho reharehan’ny rehetra ireny, ka nezahinay tsy hopotehina tao anatin’ilay 4 volana nitondrana ka nezahina ny tsy hisian’ny korontana na nisy nilaza aza hoe : nahoana no tsy nangalatra ? Nahoana no tsy nanova lalàmpanorenana nahafahana nijanona teo ? Latsaka be ny firenena tamin’ny 2013 nandraisana ny fitondrana, ka nijoroana ny tsy hamerina ny firenena any anatin’ny kizo, toy ny efa natao teto, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Rivo Rakotovao. Raha tsy nisy fandeferana dia niverina tamin’ny gidragidra sy faty olona, ary mety ho tombony ho azy satria mety afaka nijanona teo herintaona na mahery ny HVM. Nankasitraka ny nisian’ny fandeferana ny tenany. Mikasika ny resaka novoizina momba ny fanafoanana ny antenimierandoholona sy ny fiketrehana ny fanonganana azy tsy ho filohan’io andrim-panjakana io kosa, dia 0,04% amin’ny tetibola ankapoben’ny fanjakana no aompana amin’ny fampihodinana io andrim-panjakana io. Tsy naheno intsony an’izay resaka izay, fa tao anatin’ny fotoanan’ny propagandy. Nazava tsara ary azon’ny HVM sy notakiany mihitsy aza ny nidirany tao satria hametra-pialana ny filoha, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Namana daholo ireo loholona ireo, ka asaivo manangan-tanana izay tsy manaiky sy hilaza fa tsy niombon-kevitra tamin’io, hoy izy. Misy ireo loholona notendren’ny filoha kanefa afaka nijoro tany amin’ny hafa na dia ny filohanao izao no kandida. Azo natao ny nanongana sy nanala an’ireny fa tsy natao. Amin’izao fotoana izao, dia misy tokoa ny mikononkonona ka ho hita eo izay maro an’isa raha ho tonga amin’izay tokoa, hoy ny tenany, izay manamafy fa ara-dalàna ny fipetrahany eo.

Toky R sy Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana