Dans la mme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

19/04/2019

Andrim-panjakana iray anisan’ny hiankinan’ny fiainam-pirenen’ity nosy misy antsika ity ny Antenimieram-pirenena Malagasy amin’ny ankapobeny. Rariny raha mba hofantarintsika olom-pirenena tsy an-kanavaka amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena Malagasy sy ny asany ary ny fomba firafiny sy fomba fiasan’izay depiote ho lany ao ary ny tombontsoa maro samihafa mety ho azo ao. Hisy ihany karazana fanehoan-kevitr’ireo depiote nahavita taom-piasana maromaro nifandimby tao. Farany, hotsiahivintsika etoana ny anaran’ireo filoha nifandimby nitantana an’ity Antenimieram-pirenena Malagasy ity hatramin’ny niandohany ka hatramin’ny taona 2018 teo.

 

Voalazan’ny andininy faha-68 ao amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy fa “Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera Malagasy. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana”. Ao aminy koa no tokony hisian’ny adihevitra mazava hampandrosoana ny firenena. Depioten’i Madagasikara no fiantso an’ireo mpikambana ao aminy izay nofidian’ny vahoaka mivantana ka miasa ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza mandritra ny 5 taona.

 

Ny tantarany

 

“Assemblée Constituante et législative », Assemblée nationale, Cnpd, Assembée Nationale Populaire, Cres, « Congès de la transition » anarana efa  niantsoana ny Antenimieram-pirenena  Malagasy avokoa ireo rehetra ireo. Taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960  ka nitondran’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana no nanaovana fifidianana solombavambahoaka voalohany teto amintsika  ka nanjakan’ny mpikambana tao amin’ny antoko PSD « Parti Social-Démocrate » noforoniny tao anatiny.

Tany amin’ny andro nitondran’ny Capitaine de Frégate Didier Ratsiraka ny directoire militaire tamin’ny taona 1975  sy tamin’ny andron’ny Repoblika faha-2 no teraka ny « chambre basse » Malagasy nitondra ny anarana : Assemblé Nationale Populaire nahitana depiote  niisa 137 lany tamin’ny fifidianana nivantana nandritra ny 5 taona. « Délégataire du pouvoir législatif » izy ireo tamin’izany, araka ny lalàm-panorenana vaovao.

 

Raha ny tena marina dia « Chambre d’enregistrement des lois » no tena fiantso azy ireo tamin’izany.Ny taona 1977  dia nahazo toerana 110 tao amin’ny Antenimiram-pirenena ny antoko Arema natsangan’ny filoham-pirenena Didier Ratsiraka ka i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka no filohany hatramin’ny taona 1991. Tamin’ny andron’ny Antenimieram-pirenena notantanan’ny filohany Andriamanjato Richard Mahitsison 1993-1998 ihany no nisy fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena am-perinasa nahomby teny amin’ity rafitra ity izay nolanian’ireo depiote tamin’ny 26 jolay 1996 ka nampiongana ny filoha Zafy Albert tamin’ny fotoanandrony. 

 

Ny asan’ny Antenimieram-pirenena

Ny Antenimieram-pirenena izay ahitana olom-boafidy miisa 151 ankehitriny no misolovava ny vahoaka, maka ny heviny mivantana ary mitondra izany eo anatrehan’ny governemanta amin’ny alalan’ny fifanatrehana mivantana aminy. Araka ny efa voalaza tery ambony dia izy ireo no mamolavola lalàna raha ilaina ary mandany ny lalàna natolotry ny govenemanta nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana”.

 

Ny Firafiny

 

Ireo solombavambahoaka voafidy ho eny Tsimbazaza no mifidy mivantana ny filoha hitantana azy mandritra ny fotoam-piasana 5taona. Manana filoha lefitra 7 izay fidian’ireo depiote mivantana amin’ny latsa-bato miafina izy ka filoha lefitra iray isam-paritany 6 ary filoha lefitra mpanohitra iray.  Fidiana mivantana ihany koa ireo kestora 2 ao aminy ka ny kestora 1 dia mandraikitra ny fitantanana ankapoben’ny Antenimieram-pirenena, ny tetibolany ary ny mpiasa ao aminy. Ny Kestora faharoa kosa dia miandraikitra ny « législation » sy ny « relation publique ». Tsy dia ao anaty lalàna velona izany kestora faha-3 izany fa noforomporonina hizarana toerana fotsiny. Mbola anisan’ny fidian’ireo depiote mivantana koa ny mpampakateny sy ny mpampakateny mpanampy azy. Ireo rehetra ireo dia ao anatin’ny fivoriana manokana  mialoha ny fivoriana ara-potoana voalohany.

Miisa 12 ireo voalaza teo ireo no mandrafitra ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena miaraka amin’ny solontenan’ny vondrona parlemantera hatsangan’ireo depiote ka mahazo miditra amin’izay handrian’ny fony ireo depiote tsy miankina.

Farany dia mahazo miditra amin’ny kaomisiona farafaharatsiny 2 ao amin’ity Antenimieram-pirenena ity ny depiote iray. Voafetran’ny andininy faha-41 ao amin’ny lalàna anatiny mifehy ny Antenimieram-pirenena ho 31 ny isan’ireo kaomisiona ireo ahitana olona 15 ka hatramin’ny 25 ao anatiny izay samy manana ny  filohany sy filoha lefiny ary mpampaka-teniny avy. Izy ireo no mandinika voalohany ny volavolan-dalàna tonga eny amin’ity rafitra ity sy maidy hevitra miaraka amin’ireo tompon’andraikitra voakasika vao mitondra izany eo anatrehan’ny fivoriana hitambaram-be azon’ny besinimaro hatrehana.

 

Ny fitondrana politika ao amin’ny Antenimieram-pirenena izay voalaza rehetra teo izay fa misy koa ny fitantanan-draharaha mivantana ao anatin’ity rafitra ity izay sahanin’ny Sekretera Jeneraliny. Olona fidian’ireo depiote mivantana amin’ireo nanolo-tena na natolotr’olona ity SG “Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena ity”. Izy no mampita ny fanapahan-kevitra avy amin’ny birao maharitra any amin’ireo depiote. Izy koa no manara-maso ny “procedure legislative” izany hoe tsipi-panohizana mampifandray ny birao maharitra sy ny fitantanan-draharaha ao amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny ankapobeny.

Tena miara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy am-perinasa izy na eo amin’ny sehatry ny fandraharahana na amin’ny resaka fifandraisana amin’ny any ivelany ka izany no ahitana azy hatrany aorian’ny PAN isaky ny fivoriana hitambaram-be. Araka ny fanirian’ireo mpiasa mahatratra 400 eo ho eo ankehitriny ao amin’ny Antenimiram-pirenena dia tokony ho mpiasa avy ao amin’ity Antenimieram-pirenena ity ihany io SG fidiana io ary dia to tokoa izany tamin’ity farany ity ka Atoa Ratsimba Andrianaivo Mamy no misahana azy ankehitriny.

 

Ireo Tombontsoa fandrain’ireo solombavambahoaka

 

Maromaro ihany ireo tombontsoa fandrain’ireo depiote isam-bolana mandritra ny fotoam-piasany ka ny hotanterintsika etoana dia izay hitan’ny SeFaFi “Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena” ka navoaka tamin’ity herinandro ity ary nilazany fa ankoatra ny fahefana sy ny voninahitra dia misy ny tombontsoa samihafa fandrain’ireo solombavambahoakantsika ankehtriny toy ny  karama isam-bolana 3.000.000  Ar, miampy tambin-karama 400.000 Ar isan’andro mandritra ny fotoam-pivoriana.  Ao koa ny 3.000.000 Ar isam-bolana ho solon’ny solika, ary 200.000 Ar ho fahana telefaonina. Misitraka mpanampy “Assistant parlemantera “ 5 ny solombavambahoaka tsirairay. Raha mamita iraka eto an-toerana izy ny volan’ny hotely dia tafakatra 65.000 Ar isan’andro, ary tsy fantatra izay omena azy raha mivoaka any ivelany. Tsy voafaritry ny lalàna ny fahazoana fiara 4X4 ho an’ny solombavambahoaka tsirairay fa tamin’ny andron’ny praiminisitra Ravony sy ny filoha Marc Ravalomanana no nisitraka izany izy ireo.

 

Nahavita ny asany tokoa ve ireo depiote Malagasy ?

 

Maromaro ireo depiote  niverimberina matetika nisahana an’ity asa ity toa an’i Jao Jean (Antsohihy) sy depiote Mara Niarisy (Ankazoabo). Ny roa amin’izy ireo kosa izay efa in-3 avy no voafidy ho depiote teny Tsimbazaza no hanome ny heviny mikasika an’io fanontaniana navantana tamin’izy ireo io

ANDRIAMAHEFA Henri Charles : “Tena azoko ambara fa nahavita ny asa nankinina tamiko tokoa aho nandritra an’ireo fotoana naha depiote ahy ireo fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fandaniana lalàna mahasoa ny vahoaka Malagasy. Depiote tsy nanaiky lembenana fa tsy mpanangan-tanana fotsiny sanatria satria dia efa nanolotra tolo-dalàna teo amin’ity Antenimieram-pirenena ity ny tenako, efa tao anatin’ireo nametra fitsipaham-pitokisana ny mpitondra fanjakana tamin’ny fotoanandrony ary nandamina ny fampiasana ny Fdl notakiana niaraka tamin’ireo ben’ny tanàna any amin’ny distrika nahalany ahy. Nahavita asa fanasoavana vahoaka tamin’ny alalan’ny fikambanana Fizafa tarihako toy ny lalana sy ny sisa tany amin’ny distrikan’i Moramanga”.

 

 

RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José : « Tena nahavita ny asa nandrasana tamiko tamin’ny naha depiote ahy aho fa nandeha tamin’ny fahamarinana nitondra ny tenin’ny vahoaka sy niaro ny tombontsoany hatrany tamin’izany tamin’ny fandaniana ny lalàna mahasoa azy. Mbola am-pahamarinana koa no nidinako an-dalambe teny amin’ny 13 mey niaraka tamin’ny vahoaka nitaky an’izay tombontsoany izay. Ny depiote anefa ho an’ny vahoaka, izay efa lasa fahazarana mitoera mihitsy dia raiamandreny any an-tanàna fihantahantana raha misy manjo ary fihazakazahana raha misy tsy fahampiana ka zary lasa fitondrana marary tsy fidiny ny fiaran’ny tena ary lasa fitaovam-pitaterana ireo tsy afaka  ihany koa. Novatsiana sy nampiana araka izay tratra ireo marefo ara-pivelomana.

 

Ny fiantso ny Antenimiera Malagasy sy ireo filoha nifandimby nitantana azy:

 

1958 :  Assemblée Nationale Consituante – notantanan’i Norbert Zafimahova

1959-1960 : Assemblée Nationale – notantanan’i Jules Ravony

1960-1965 : Assemblée Nationale – notantanan’i Alfred Nany

1972-1975 : Conseil National Populaire pour le Developpement (CNPD) – notantanan’ny pasitera Fety Michel

1977-1991 : Assemblée Nationale Populaire – notantanan’i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka

1992-1993 : Comité pour le Redressement Economique et Social (CRES) – notantanan’ny mpiara-mitantana Pasitera Andriamanjato Richard Mahitsison sy Manandafy Rakotonirina

5 aout 1993-1998 : Assemblée Nationale – notantanan’ny Pasitera Andriamanjato Richard Mahitsison

Fin 1998 -2002 : Assemblée Nationale – notarihan’i Ange Christopher Andrianarisoa

Martsa/Oktobra 2002 : Assemblée Nationale  - notantanan’i Paraina Auguste

Fin 2002-2006 : Assemblée Nationale  -  notarihan’i Lahiniriko Jean

Mi-2006/2007 : Assemblée Nationale – notarihan-dRazakanirina Mahafaritra Samuel

2007/2009 : Assemblée Nationale – notarihan’i Jacques Sylla

2011 : 1er Congrès de la Transition - notarihan’i Mamy Rakotoarivelo

2012 : Congrès de la Transition -  notarihan-dRaharinaivo Andrianatoandro

2013 : 2è Congrès de la Transition – notarihan’i Mamy Rakotoarivelo

Janoary/Aprily 2014 : Assemblée Nationale – notarihan-dRazanamahasoa Christine

Nanomboka ny 03 mey 2014 :  Assemblée  Nationale – notarihan’i Jean Max Rakotomamonjy

 

Marihina fa tamin’ny 1992-1993 ihany no nisy filoha niara-nitantana tao amin’ny Antenimieram-pirenena Malagasy ary tamin’ny 2014 no nisy vehivavy nitantana an’ity andrim-panjakana ity nandritra ny efa-bolana.

 Nanangona sy nandrindra Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana