Dans la męme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoha Rajoelina Hisisika hampandany ny kandidĂ ny

07/05/2019

Maro ireo mpanao politika, mpanara-baovao, olom-pirenena no miandry izay ho vokatry ny fifidianana solombavambahoaka.

 

 

Io tokoa mantsy no mamaritra raha halalaka tanteraka na tsia ny fitondrana Rajoelina. Vita iny ny zato andro voalohany nitondran`ny filoha Rajoelina ary nisongadina ny fananany fahefana feno. Izy no filoha lehiben`ny mpanatanteraka, mandray ny toeran`ny mpanao lalàna amin`ny alalan`ny didy hitsivolana, lehiben`ny filankevitry ny mpitsara… Tsy midika akory fa ny politikan`ny filoha no hampiharina eto amin`ny firenena fa izay maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena no tompon`ny politika ary voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana izany. Ny depiote maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena no mampihatra ny politikam-panjakana ary ny praiminisitra dia tendren`ny vondrona politika izay nahalany be indrindra. Raha misy vondrona politika hafa mahavory depiote maro indrindra dia io indray no manendry praiminisitra ary anjarany no mamory ireo hery politika izay hanohana ny politikam-panjakana. Ny filoham-pirenena no tompon`ny fahefana amin`ny soratra fa rehefa mifanohitra amin`ny maro an`isa dia tsy maintsy misy ny fiaraha-mitantana. Marihina fa tsy ny filoha irery no manapaka sy mitantana ny firenena fa ny filoha sy ny governemanta ao aminy satria ny governemanta dia mety tsy hitovy firehana aminy. Tsy mahagaga raha hisisika hampandany ny olony ny fitondrana ankehitriny. Amin`izay fotoana izay, ny olona mpomba ny filoha no maro an`isa sy afaka manolotra ny anaran`ny praiminisitra vaovao. Tsy feno mantsy ny fahefany satria ny Antenimierandoholona, izay  tsy azony ravana, dia olon`ny antoko HVM no maro an`isa. Porofo iray ihany koa, ny fandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny  fitsapan+kevi-bahoaka izay nokasaina hatao amin`ny 27 mey ho avy izao ihany koa. Araka izany, io no fotoana ilain’ny filoham-pirenena hamantarany ny hoaviny amin`ny fitantanana ny firenena mba hitondrany tsy amin’ahiahy.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana