Dans la męme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Haintrano teny Ambodivona Nisy mpivarotra very fananana ana miliara ariary

10/05/2019

Ritra ny ranon’ny mpamono afo avy eny Anosivavaka, Andravoahangy ary Tsaralalana nefa mbola nahazo vahana nijoalajoala ny afo ka velon-tebiteby tanteraka ny mponina.

Sahirana ihany mantsy vao nahita ilay fakana ranon’ny mpamonjy voina tany Manjakaray, raha ny filazan’ireo niatrika ny fahamaizan’ireo trano hazo 20 mahery manamorona ny tobin-dasantsy Total Ambodivona afak’omaly alina. Raha sanatria io no may dia tanàna maro no ravarava.  Mila atoro ny mponina ny fotodrafitrasam-panjakana. Tena nanezaka ny “pompier”. Rano koa izany natosany teto amin’ny manodidina ny tobin-tsolika mba tsy hitaran’ny afo”, hoy i Tiana Marcel Harijaona, tompon’andraikitry ny fokontany Manjakaray  II D, izay nisy ny loza. Nilaza i Njakatiana Noelisoa fa niainga tao amin’ny mpivarotra enta-madinika ny firehetana vokatry ny herinaratra. Niezaka namoha ilay trano ihany ireo mpiambina, tamin’ny 8ora alina saingy nihidy mafy io. Nahazo ny menaka sy ny entam-barotra mora mirehitra tao izany ka nipoaka faran’izay mafy ka nisintaka tanteraka ireo mpiambina. Korontam-by sy bilao sisa azo raisina fa hotohoto tanteraka ny entana izay nitentim-bidy miliara ariary an’i Njakatiana Noelisoa.  “Demareur sy alternateur” no amidiny. Vao tamin’ny talata teo no nampiditra entana iray kaontenera izy. Marihina fa 120.000 ariary no ivarotany ny iray amin’ireo entana ireo izay eran’ny tanan-kanila ny iray. Entina ilazana izany fa kely be vidy ireo kojakojan’ny fiara izay nameno kaontenera ireo. Mbola zara fa nahalafo tamin’izany anefa izy ireo fa vao roa andro nivarotana, nefa mbola nisy ambin’entana maro ihany koa tao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana