Dans la mme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

SARAN’NY SARY AMIN’NY CAN 2019

10/05/2019

1 tapitrisa euros na 4 miliara ariary ny vola tsy maintsy haloan’ireo firenena Afrikanina raha te hahazo ny sary rehetra momba ny fifaninanana CAN 2019 hotanterahana any Egypte ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.

 

Maro amin’ireo firenena Afrikanina no milaza sahady fa  lafo ilay sarany ary ho sarotsarotra ny hanefana azy, indrindra fa mbola misy ny vola tsy maintsy hatontona amin’ny fikarakarana ny ekipa sy ny delegasionina ho avy any an-toerana hiatrika ny fifaninanana.

RALLYE MOTUL

Ahitana dingana manokana miisa 12 ny Rallye Motul izay hotanterahana eto Antananarivo ny 17,18 ary ny 19 mey ho avy izao. 296,37 km no halaviran-dalana hifaninanana ao anatin’izany. Ity no dingana faharoa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eto amin’ny familiana fiarakodia amin’ity taona ity.

HAZO SAROBIDY 353 KAONTENERA NANJAVONA

Kaontenera miisa 353 feno hazo sarobidy antsoina hoe Kevazingo no nanjavona tsy hita popoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Owendo any Gabon. Efa nogiazan’ny fanjakana ny volana martsa lasa teo ireto kaontenera ireto satria tsy ara-dalàna ireto hazo sarobidy izay efa mitady ho lany tamingana ireto. Nahagaga anefa fa dia nanjavona tampoka izy ireo.Mitovitovy amin’ny andrramena eto Madagasikara ny Kevazingo ary tena lafo vidy tokoa any Azia.

KOREA AVARATRA

Nanao andrana tifitra balafomanga miisa roa indray omaly i Korea Avaratra. Nitranga ora vitsy taorian’ny fahatongavan’Atoa Stephen Biegun, solontena manokan’i Etazonia ho an’i Korea Avaratra tany Seoul renivohitr’i Korea Atsimo izao tifitra izao. Balafomanga tsy mahataka-davitra ireto notifirina ireto raha araka ny fanamarihana nataon’ny tafika Koreanina Tatsimo. Miverina amin’ny andrana tifitra balafomanga indray izany i Korea Avaratra.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana