Dans la męme rubrique

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanĂ na, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanĂ na, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

21/08/2019

Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

21/08/2019

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Aferana Boaderozy 27 740 isa Lasa any Singapour ny minisitra Georget

22/05/2019

Lasa any Singapour nanomboka ny 17 mey teo ny minisitry ny tontolo iainana Alexandre Georget, ary hiverina eto ny zoma 24 mey 2019.

 

 

 

 Nitsimbadika mantsy ny rasa mahakasika ny raharaha boaderozy avy aty Madagasikara saika haondrana tany Sina kanefa tratra tao Singapour tamin’ny taona 2014. Miisa 27 740  ireo ary mitentim-bidy 50 tapitrisa dolara. Ny taona 2015, nohelohin’ny fitsarana tao Singapour higadra 18 volana sy onitra 500 000 dolara ilay mpandraharaha sinoa Wong Wee Keong, ary 500 000 dolara ihany koa ho an’ny orinasany Kong Hoo. Nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony ilay mpandraharaha, ka nafahan’ny Fitsarana madiodio i Wong Wee Keong ny 09 aprily lasa teo. Naverina aminy ireo andramena 27 740 taorian’ny fanefany ny saram-pitobian’ny entana tao Singapour. Lasany ambongadiny izany io hatreto. Izay no heverina ho anton-dian’ity solontenam-panjakana ity satria heverina ho mifanohitra amin’ny tokony ho izy ny zava-misy, ka miditra an-tsehatra ny fanjakana Malagasy. Ny minisitra Anthèlme Ramparany dia efa nanamarina sy nilaza fa ara-dalàna ny fanondranana ary nisy mihitsy ny fitarihany delegasinona nankany Singapour tamin’izany. Nifanohi-kevitra tamin’izany i Beboarimisa Ralava taty aoriana. Nilaza hanao fitoriana « Plainte contre X » ho an’ireo niray tsikombakomba tamin’i Wong Wee Keong indray ny minisitra Ndaimanajara Johanita ny mey 2017,… Tsy hita izay tohiny, ary io mifoha io ka andrasana ny fivoarany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana