Dans la mme rubrique

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

22/08/2019

Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

22/08/2019

“Mahavariana raha nanolotra lehiben`ny mpanohitra ny vondrona parlementera Tiako I Madagasikara”, hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa omaly tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena.

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

22/08/2019

Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

22/08/2019

Taorian’ny fivoriana niarahanay tamin’ny Birao politikan’ny TIM, dia nanapa-kevitra izahay Vondrona Parlemantera TIM,

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

22/08/2019

Lahadinika tamin’ny fivoriambe teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana, izay tsy natrehin’ireo depiote mpanohitra dia ny TIM.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

22/08/2019

Raha te hiaina ny demokrasia isika eto Madagasikara dia tokony hisy ny mpanohitra ao amin`ny antenimieram-pirenena. Nitondra ny heviny i Masy Goulamaly,

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

22/08/2019

Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

22/05/2019

Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.

 

 

Niverina tany Ambatondrazaka indray omaly ilay teny Besarety, mirotsaka an-tsehatra mikabary sy manao fampanantenana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy ny filoham-pirenena izy tenany mihitsy. Asa hoe iza loatra no manolo-tsaina azy mahatonga an-dRajoelina mijabaka amin’ity propagandy ity. Mahita an'io ny mpiara-miombon'antoka dia efa mailo. Sombitsombiny ny ho avy fa tsy hisy vola be ana miliara dolara ho azo hanaovana ny IEM izany eto. Ny fitomboan'ny harinkarena 5,2%  no tanjona raha 5,1% izany ankehitriny. Ny fisondrotan'ny vidim-piainana ezahana tsy hihoatra ny 6,7%, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Tarehimarika tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina ihany ireo no namboamboarina fa tsy misy zava-baovao be. Aiza ilay hoe haingam-pandeha be ny TGV? Fampiesonana sy kisehoseho no betsaka, ary ny tetikasa hireharehana, toy io resaka fanajariana an’Antananarivo io, dia fitohizan’ny fitantanan-dRaharaham-panjakana teo aloha amin’ny ankapobeny. Ny serasera no atao mipoapoaka. Raha tsy mahazo ny maro an'isa azo antoka tsara eny Tsimbazaza eo ny IRD dia ho sahirana Rajoelina hanatanteraka ny programan’asany, ary izay tsy fitoniana ara-politika sy ara-pitantanana izay dia misy akony ratsy amin’ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara miombon’antoka.  Efa namotika firenena tamin'ny fanonganam-panjakana narahan'ilay lalampanorenana nolaniana tamin’ny karinem-pokontany Rajoelina sy ny ekipany. 10 taona aty aoriana tonga eo amin'ny fitondrana izy ireo, ka 4 volana nitondrana monja dia efa izao ny fahasamponana misy izao sahady : fanaparam-pahefana, fandikan-dalàna,… Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ihany no mbola Andry Rajoelina ankehitriny. Toa efa zatra bodongerona nosantarina tamin’ny fanonganam-panjankana 2009, ary toa miverina sy porofoin’ny zava-misy ilay hoe “sans qualité” nambaran’ny mpitondra Afrikanina 10 taona lasa izay. Toa mbola mitombina ilay tsy matotra tsara Rajoelina, tsy mahazaka mitantana firenena. Olon’ny herisetra sy ny tsy fanarahan-dalàna satria tsy mbola filoha akory dia efa nanafatra fitaovam-piadiana sy fiara tsy laitram-bala an-tsokosoko teto Madagasikara.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana