Dans la mme rubrique

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

22/08/2019

Nitrangana fanolanana tovolahy iray teny amin’ny faritra 67ha afak’omaly atoandro. Lehilahy toa azy ihany koa ilay nanatanteraka ny asa ratsy.

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

Hamaky ny tohiny...

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

Hamaky ny tohiny...

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

21/08/2019

Mihanaka be ny rongony. Andrasana ny fepetra hentitra hanafoanana ity loza mandondona ny firenena ity. Efa hitovy tsy misy valaka amin’ireo tany miady sy hanatanterahana trafikana zavamahadomelina i Madagasikara.

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Jiolahy any Manja Manao fanamiana miaramila ary mitondra fitaovam-piadiana

22/05/2019

Nandritry ny fanarahan-dia no nahatraran’ny polisy sambo-belona an’i Vaika, jiolahy raindahiny, tafaporitsaka kosa ny namany efatra. Nitondra fanamiana miaramila sy basy ilay malaso ny alahady teo.

 

 

 

 

 

 Sahabo ho tamin’ny 9 ora alina, nisy dahalo 5 lahy nanafika tao amin’ny fokontany Ambararata , kaominina Manja. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny osy 50 tamin’ity tanàna ity. Nampandre ny polisin’ny distrikan’i Manja ny fokonolona. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana ireto olon-dratsy izay narahin’ny fokonolona sy ny polisy. Tafaverina ny osy sasany ary nisy ireo efa novonoin’ireo dahalo. Nandritra ny fifanjevoana no nahatrarana an’i Vaika.  Nahazo vahana idray tato ho ato, indrindra hatramin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny fanafihan-dahalo. Variana any amin’ny raharaham-pirenena ny  tompon’andraikitra ka zary manao ny danin’ny kibony ireo malaso. Ahiana ho sarotra ny hanavahana dahalo manao fanamiana mpitandro ny filaminana eny ambony angidimby.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana