Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Hetsiky ny “ZRPS ALPHA” tany Ihorombe Omby 75 sy basy iray no tratra

31/05/2019

Kavin’omby miisa 135 no tratra tao an-tranon’ny raim-pianakaviana lehiben’ny dahalo ambony latabatra iray, ny talata 28 mey teo.

 

 

Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, nandritra ny firotsahana an-tsehatra tamin’ny fanatanterahana ny fampandriantany notanterahin’ny miaramilan’ny “Zone rurale prioritaire de sécurité”na “ZRPS Alpha” no nahatrarana ireo mari-pamantarana eo amin’ny sofin’omby izay tsy ara-dalàna ireo. Tra-tehaka koa tao Amboankify, Ambalamidera, Vohitrarivo, ao amin’ny faritra Ihorombe ny basimborona iray sy ny omby 75 izay efa tafaverina tamin’ny tompony. Ankoatra ireo, moara iray fitondran’ireo malaso miaraka amin’ny ody mahery koa no saron’ny “ZRPS ALPHA”. Tsiahivina fa ny manampahefana ara-panjakana ihany no afaka mitahiry sy mametraka ny kavin’omby toy izao, tahaka ny dokotera mpitsabo biby. Mifanandrify amin’ny omby teraka ny fametrahana ireny kavina ireny izay iantsorohan’ny sefo fokontany sy ny tompon’omby ny ho fanoratana azy ao anatin’ny bokin’omby. Tsy afa-misaraka amin’ny FIB na ny kara-panondron’omby anefa izany izay iantsorohan’ny tompon’andraikitry ny lehiben’ny faritra, ny distrika sy ny veterinera, indrindra ny delegem-panjakana. Midika izany fa efa misy bokin’omby sy Fiche individuelle des bovidées miiisa 135 any ho any hanadiovana ireo omby halatra ka ao anatiny ireto 75 izay tra-tehaka ireto.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana