Dans la mme rubrique

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

21/08/2019

Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

21/08/2019

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

Hamaky ny tohiny...

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

21/08/2019

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasa STAR sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga nandritra ilay hetsika « Star tour » notanterahina tany an-toerana ny herinandro lasa teo.

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

Hamaky ny tohiny...

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

21/08/2019

Tovovavy roa tokony ho 17 taona no tsy hay na niara-namono tena omaly tao Antsirabe, izay samy avy any Andranomanelatra avokoa no fiavian'izy roa vavy ireo, ary mbola samy mpianatra avokoa, araka ny fampitam-baovao.

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

Hamaky ny tohiny...

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ampefiloha Maty tsy tra-drano ilay lehilahy voafingan’ny « trottoir »

04/06/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Ampefiloha, manakaiky ny Lisea teknika na LTC, afak’omaly maraina. Voafingan’ny « trottoir» afovoany raha iny nanapaka niampita ny arabe ny mpandeha iray.

 

 

 

Nitrotrongy teo amin’ny lalana ilany izy ka notatazan’ny fiara nirimorimo. Voadona sady voahitsaka ka maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Raha ny filazan’ny nanatri-maso, nandeha faingana izy ary saika hananika ilay fisasahan’ny lalan-droa mifanena kinanjo diso fanainga tongotra ka nitsikasina avy hatrany. Mitaraina ny mponina eny an-toerana fa tsy manaja mpandeha miampita lalana ireo fiara rehetra hatrany Ampefiloha CNaPS ka hatrany Andavamamba hihazo an’i 67ha. Araka ny fehezan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, vao manitsaka ilay tsipika fotsy diavin’ny mpiampita ny tongony dia mijanona avy hatrany ny fiara ary manome alalana ireo mpandeha an-tongotra. Ny ankamaroan’ny mpampiasa fiara eto an-drenivohitra, indrindra ireo leo fitohanana no miridana mihoatra ny hafainganam-pandeha azo ekena an-tanàn-dehibe.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana