Dans la mme rubrique

A-B-C-D-F

29/07/2019

Malaza ankehitriny ny fanamboarana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Anisan'izany ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana, ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ary ireo zavatra maro hafa.

A-B-C-D-F

Hamaky ny tohiny...

Zaza kanto sy mandroso

22/07/2019

Tena mahafinaritra ny fitondrana ireo zandry kely mpihira mitety tany sady manohana ny ekipa Malagasy.

Zaza kanto sy mandroso

Hamaky ny tohiny...

Fandresen’ny Malagasy rehetra

01/07/2019

Fifaliana no nandraisantsika mianakavy ny fandresena halina. Na teny an-dalambe na tany an-tokantrano, eny fa na ny teny amin’ny hopitaly ary dia nihoby sy nifaly daholo nahita ny vokatra 2-0 vita omaly.

Fandresen’ny Malagasy rehetra

Hamaky ny tohiny...

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

27/06/2019

Tsara avokoa ny endrika ivelany naseho nandritra iny fetim-pirenena iny.

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

04/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka. I

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

03/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka.

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

29/05/2019

Miarahaba ny fanjakana isika mianakavy fa vita soa aman-tsara tokoa ny EPP iray anatin’ny 20.000 isa, tany Toamasina.

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

Hamaky ny tohiny...


Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

06/06/2019

Maro amintsika no diso hevitra momba ny politika eto Madagasikara sy eto Afrika.

 

 

Ny ankamaroany mantsy dia mihevitra fa ny politika dia ny fahaizana manao propagandy na koa ny famoronana ireo fampanantenana poak’aty sy famitahana mpifidy. Ary misy mpanao politika mihevitra fa mahay politika rehefa mahay mamadika palitao ary tsy mena-mivadika amin’ny hevitra nijoroany tany aloha. Izany no mahatonga antsika Malagasy lasa kivy ary tsy tia hiherika amin’ny politika intsony. Ho an’ireo mpitondra eto Afrika kosa , ny fahaizana politika dia midika ho famoronana ireo hevitra sy lalàna ahafahana mijanona faran’izay ela indrindra eo amin’ny fitondrana, na mandra-pahafaty mihitsy aza. Indrisy fa izany no manjaka eto amintsika sy eto Afrika.

 

Mila ezaka

 

 Ny politika nefa dia foto-kevitra na vinam-piarahamonina entina mandamina sy mampandrosoana ny firenena. Mahay politika izay olona manana vina azo tanterahana ary mitondra fandrosoana ho an’ny fireneny. Ny politika ihany koa dia fampianarana ireo mpikambana ao amin’ilay antoko na ireo mpiara-dia aminy ny fomba tsara sy mety ho an’ny firenena. Ao anaty antoko politika no tokony hanabeazana an’ireo mpikambana momba ny ady amin’ny kolikoly. Ao ihany koa no hanabeazana ny fanarahan-dalàna sy fanarahana ireo fitsipiky ny antoko. Rehefa mahazo izany ireo mpikambana dia manana adidy lehibe hizara izany eny anivon’ny fiaraha-monina mba hitaizana ny mpiray tanindrazana.Tsy tokony hiankina amin’ny olona tokana raha izany no politika fa hevitra azo avy amin’ny mpikambana ao amin’ny antoko. Eto amintsika anefa dia tsapa fa olona no safidiana. Misy ary moa dia anaran’olona no entina ho an’ilay antoko na fikambanana politika. Azo lazaina fa mbola marefo sy malemy ny fanabeazana ara-politika eto Madagasikara ary tena mila ezaka be isika hanatsarana an’io satria izany no lalana tokana hitondra antsika mankany amin’ny fampandrosoana.

 

Tia Tanindrazana

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana